Iza re no hampitoviana aminy? Angamba tsy misy fa tena andrarezina tokoa i Ndrematoa, teo amin’ny tontolon’ny sariitatra sy ny tantara an-tsary. Nametraka tanteraka ny pensilihazo ka lasa any amin’ny mandrakizay izy… Vaovao ratsy ho an’ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha-67 taonany Rakotonomenjanahary Razanakolona Dieudonné, fantatry ny […]
kolon-tsaina
Satria very ny fototra: mampanahy ny hoavin’ny hira malagasy
Nanome lanja ny tononkira ny Malagasy. «Fahiny izany», hoy ny tanora ankehitriny. Raha io lafiny iray io (tononkira) no tomorina akaiky, maro amin’ireo hira fahiny no hifanipaka amin’ny heno amin’izao vanim-potoana izao. Fifandonana azo adika ho tsy fitoviam-pijery eo amin’ny zoky sy ny zandry, raiamandreny sy zanaka, sns. Feo voajanahary, […]
« Malagasy Mankany » Iadian-kevitra etsy amin’ny IKM
Nitondra fanovana teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny «Malagasy mankany». Notontosain’i Haminiaina Ratovoarivony, tamin’ny taona 2012 izy ity, ary nahafeno ny fepetra toa ny sarimihetsika vahiny. Nosafidiana manokana ny «Malagasy mankany», halefa sy hiadian-kevitra mandritra ny «S-Art Mihetsika : Ciné-club IKM”, izay hotontosaina ny sabotsy 18 novambra izao, manomboka amin’ny […]
Slam- Humour- Rap : mampivoatra mpahay kanto maro ny « Slumourap »
Hetsika mamondrona ny mpiagaly Slam sy hatsikana ary Rap ny “Slumourap”. Ireo vao misandratra eo amin’ireo haikanto ireo no tena mahazo tombony amin’ity hetsika ity. Misy ihany koa anefa ny fizarana ataon’ireo efa kalaza eny antsefatsefany eny. Tanterahina anio, eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny dingana fifanitsanana amin’ny “Slumourap”. Hetsika […]
« Miss & Mister malagasy 2024 »: hisolo tena ny diaspora i Andy sy i Stéphanie
Voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana “Miss & Mister malagasy 2024”, i Andy, teo amin’ny “Mister malagasy 2024”, ary i Stéphanie Floriane, teo amin’ny “Miss malagasy 2024”. Raha tsiahivina, ny alin’ny sabotsy teo no nanatanterahina izany lanonam-pamaranana izany, tao Paris, Frantsa. Ny fifaninanana natokana ho an’ireo tanora monina ao Eoropa. Araka ny […]