Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny fampisehoana « Hiverina » niarahana tamin’i Nate Tex. Fotoana ihany koa nanehoana ampahibemaso, voalohany, ny rakitsarin’ny hira « Hiverina ». Tonga maro nanotrona sy nankafy izany ireo mpankafy Nate Tex. Mbola tsy very tokoa ny fitiavan’ny mpankafy azy, na dia fotoana lavalava aza no […]
kolon-tsaina
“Antsam-panahy Hiram-bavaka”: nanamarihana ny faha-100 taona nahaterahan-dRado
Niray fo, niara-nahatsiaro, niara-niantsa, ary niara-nankafy ny haikanto navelan’i Georges Andriamanantena na i Rado, ny taranany sy ny mpankafy haikanto malagasy. 15 taona aty aorian’ny nahafatesany, mitoetra hatrany ny zava-bitany. Feno 100 taona omaly ny nahaterahan’Andriamanantena Georges, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Rado”. Nisy ny hetsika “Antsam-panahy Hiram-bavaka”, natao […]
Nate Tex : Haseho anio ny rakitsariny « Hiverina »
Tontosaina anio tolakandro, ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny seho an-tsehatra iarahana amin’i Nate Tex, ao anatin’ilay fampisehoana nampitondrainy ny lohateny hoe “Hiverina”. Ankoatra ny fampisehoana, Fotoana ihany koa ity hanehoana voalohany ny horonantsarin’ny hira “Hiverina”. Manodidina ny ora roa eo ny faharetan’ny fampisehoana ary efa nofantenan’ny mpikarakara sy ny mpandray […]
« Ant’sary Doc Festival » : lasan’i Gaspard Geoffrey ny “Prix du Public”
Lasan’i Gaspard Geofrey, Malagasy mpanatontosa horonantsary fanadihadiana, ny amboara « Prix du Public», nandritra ny hetsika “Ant’sary Doc Festival” andiany voalohany. « Tavela » no lohatenin’ny horonantsary fanadihadiana nentiny nambabo ny fon’ny mpijery ka nahazoany izao amboara izao. Malagasy sy vahiny mpanatontosa, miisa 25 no nandray anjara tao anatin’ity fifaninanana ity. Ny 9 […]
« Slam national 14 »: miisa fito ireo hiatrika ny dingana famaranana
Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny “Slam Malagasy” ny eny amin’ny IFM Analakely, anio. Hianoka ny seho an-tsehatra atolotr’ireo mpifaninana 7, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ireo mpijery. Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny « Slam Poèsie », andiany faha-14. Miisa 7 ireo tafita […]




