Tanterahina anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana « Les Soirées Classiques », andiany voalohany. Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hira milamindamina, larona zavamaneno sy feo miavaka no handravaka ny fampisehoana, araka ny nahafantarana ny Madagascar Mozarteum hatramin’izay, nandritra ireo hetsika nataony. Ankoatra ireo matihanina mandray anjara. Hitondra ny […]
kolon-tsaina
Manara-davahana: Voky lainga izao tontolo izao
Ahatazamana kivenjivenjin-tranga maro manerana izao tontolo izao. Tsy ho afa-miala amin’ireny ny Malagasy sy i Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, « iraisam-pirenena » no iantsoana azy io. Sarotra ny manda ny voalazan’ny sehatra lehibe tahaka itony. Na hita fa diso izao aza, « eny tompoko » hatrany ny valin-teny heno! Ny lafiny sy ny sehatra […]
TARATRY ny KANTO
Vohitra maro eto Imerina no nankalaza ny Alahamady. Nanomboka ny alatsinainy teo ka hatramin’ny rahampitso ny fankalazana. Ho an-dry zareo Zanadranavalona, nisy ny lanonambe toy ny mahazatra isan-taona, teo amin’ny kianja Anosimanjaka, omaly. Mitohy ny atrikasa fampiofanana, ho an’ireo mpisehatra amin’ny zavakanto. Anjaran’ny any Toamasina indray no nisitraka izany, mandritra […]
Nan’s Prod : hitondra rivo-baovao ho an’ny tsenan’ny mozika
Nitombo iray ny isan’ireo trano mpamokatra mozika eto Madagasikara. Nampahafantatra ny antom-pisiany, ny asa iandraketany, ny tanjona tian-kotratrarina ary ny vina anatin’ny fohy sy ny lavitra ezaka ny Nan’s Prod, ny talata teo, tetsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. «Hitondra rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny mozika no tanjona. Hanohana ireo mpanakanto sy […]
Sarimihetsika malagasy : nodimandry i Emmanuel
«Ingahy Emmanuel» na i «Emmanuel» na Andriamahefa Emmanuel. Samy anarana nahafantarana azy teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy sy ny fiseraserana teny anivon’ny fiarahamonina avokoa ireo. Araka ny vaovao nampitain’ny tambanjotran-tserasera maro, nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-63 taonany i Emmanuel. Ny taona 2022 izy no efa nandia tsy fahasalamana, raha ny […]