kolon-tsaina

CRAAM 10 Taona: hanomboka anio ny hetsika fankalazana

Hisokatra anio, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroan’ny Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar (CRAAM), eny Ankatso. Mozika, dihy, Poezia, fampirantiana haikanto, atrikasa, valandresaka ary fifampizarana no hoentina manamarika izany faha-10 taonan’ity ivontoerana ity izany. Misy ny fanajariana ny toerana eo ivelan’ny CRAAM , ho tsangambaton’izao fankalazana izao. Hankalaza ny faha-10 taona nisiany ny CRAAM eny Ankatso, […]

« Comédie musicale »: manohy ny diany ny Sahhaf Kaompania

“Tsy ny fahasoratan’ny lalana no hilavona lefona, fa mainka aza tokony hanosika hiezaka mafy izany hanatrarana ny tanjona iombonana”, hoy ny Sahhaf Kaompania. Hanohy ny diany ry zareo… Sahhaf Kaompania tarihin’i Sah, niforona tamin’ny taona 2017. Miompana amin’ny filalaovana “comédie musicale” ny kaompania. Folo mahery eo ny isan’ny tantara efa […]

Boky sombin-tantara: hanolotra « Sela Maradona » ny Stelarim

Handray hetsika famoaham-boky mirakitra sombin-tantara, « Sela maradona », anio tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ny Efitrano Dox, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana nomanin’ny Mpizaka Stelarim amin’izany ny fiantsana tononkalo, hira sy dihy… Holalaovin’izy ireo eny an-tsehatra ihany koa ny ampahany amin’ireo sombin-tantara voarakitra ao anatin’ny boky […]

Sarimihetsika: namiratra indray i Luck Razanajaona

Nivoaka tamin’ny fiandohan’ity volana novambra ity ny vaovao tsara ho an’i Luck Razanajaona, mpanatontosa sarimihetsika. Nitombo indray ny vatsy azony, avy amin’ny tetikasa « Fonds pour la jeune création francophone », ta­min’ny alalan’ny horonantsary « Mia » notontosainy. Vatsy mitentina 11 000 euros no azony vokatr’izany. Raha tsiahivina, horonantsary nataona tanora mpanatontosa afrikanina, miisa 13 […]

Harem-bakoka ravan’ny afo…: tranainy indrindra ao Antsahadinta ny tranon-dRabodozafimanjaka

Nisy fahamaizana teny amin’ny Rovan’Antsa­ha­dinta, ny alin’ny alarobia teo. Tsy nisy noraisina ny tranon-dRabodozafi­manjaka sy ireo fanaka mbola voatahiry tao. Avotra kosa ny mozea sy ireo singa hafa mandrafitra ny Rova. “Ny 1 novambra tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina, may ny tranon-dRabodozafimanjaka, vadin’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ao anaty […]