Nandroso haingana be ny teknolojia. Saika tratrany avokoa ny sehatra maro. Anisan’izany ny zavakanto. Maro sy goavana ny fiantraikan’izany amin’izao vanim-potoana izao. Tamin’ny andron-dry Edith Piaf, zavamaneno « piano » iray dia nahafahana namoaka zavakanto nampihaiky izao tontolo izao. Valiha sy amponga no nentin’ ny tarika Razafimahefa Fenoarivo nisintonana ny vahiny. Babo […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
“Mahiratra aho”, tontolo andro ho an’ny soratra mivoitra. Hotontosaina ny sabotsy 1 febroary izao ity hetsika ity, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Hisy ny fandefasana horonantsary, fampirantiana ary atrikasa manodidina ny tontolon’ny soratra mivoitra, sy hanasongadinana ny maha zava-dehibe azy ho an’ireo olona manana olana amin’ny fahitana. “Isika roa”. […]
Volana febroary : Hanao hetsika misesy ny Sehatra Bagasy
Raha ny vaovao azo farany. Hanatanteraka hetsika roa misesy ny Sehatra Bagasy amin’io volana febroary io. Ny tolakandron’ny sabotsy 1 febroary, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hanatanteraka ny «Asaramanitra bagasy» izy ireo sy izay liana amin’ny tontolon’ny ba gasy. Ny sabotsy 8 febroary, hiatrika avy hatrany ny «Totorebika […]
Fespaco – Ouagadougou : Sarimihetsika malagasy roa no hifaninana
Hantenaina hamirapiratra mandritra ny Fespaco, andiany faha-29, any Ouagadougou ny sarimihetsika malagasy. Nahatafiditra roa, amina sokajy samihafa mantsy ireo Malagasy mpanatontosa. Mitohy ny lalan’ny “Sitabaomba”, horonantsary novokarin’i Lova Nantenaina. Anisan’ireo voafidy hifaninana mandritra ny “Festival Panafricain du cinéma et de la télévision de Ouagadougou”, na ny Fespaco, andiany faha-29, hotontosaina […]
TARATRY ny KANTO
Tsy mbola zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny tahiry. Tsy ilay atao any am-bata akory fa ilay tantara tsy azo hamaivanina. Angon-tahiry anisan’ny tsy ampy ao amin’ny ankohonana iray no mety hitarika any amin’ ny faharavan’ny maha izy azy tanteraka… Miafara any amin’ny fahavoazan’ny fiarahamonina iray manontolo. Ny malagasy sasany indray, […]




