kolon-tsaina

Eusébia : Hizara ny “Madagascar Afro World”

Nanoritra ny lalany ireo zanaky ny mpanjakan’ny salegy. Niavaka indrindra amin’izy ireo i Eusébia, izay niaka-daza hatrany tato ho ato. Nisedra sehatra iraisam-pirenena maro, nizara ny “Madagascar Afro World” ity tovovavy ity, izay mbola hitohy sy hivelatra bebe kokoa amin’ity taom-pampisehoana 2025 ity. Mialoha izany, hisy ny fihaonany amin’ireo mpankafy […]

TARATRY ny KANTO

Tarika Arangita, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mety ho vaovaobe amin’ny maro ny anaran’ny tarika. Antony iray hampahafantaran’izy ireo ny sanganasany izany, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mivoy ny mozika folk, miharo nentim-paharazana ry zalahy, izay natao indrindra ho an’ireo mankafy ny mozika miaina. Fampandrosoana ny […]

Tenindreny: Hisy fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny angano

“Andao hanoratra angano amin’ny tenim-pirenena”. Io ny lohahevitra sady anaran’ilay fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny fanoratana angano, izay karakarain’ny Organisa­tion international de la Franco­phonie, amin’ny alalan’ny tetikasa “Elan”. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, isaky ny 21 febroary, ny fifaninanana. Misokatra ho an’ireo mpianatra kilasy CE2, CM1ary CM2 izany, […]

Fomba fanonona : Simbain’ny hira ny teny malagasy

Loza mitatao ho an’ny teny malagasy. Noho ny «fandrosoana», tsy mahay manonona teny malagasy intsony ny Malagasy. Tratran’io ihany koa ny mpihira, indrindra fa ny tanora. Ny «-ntso», ohatra, lasa «-njo». Ny fomba fametrahana ny tsindrim-peo, tsy manaraka intsony ny lamina voajanaharin’ny teny malagasy fa tefitefena sy hamboamboarina mba hampiavaka […]