Sehatra anisan’ny ahitana fialamboly goavana indrindra ny hetsika « Salon du loisir ». Tsy nijanona tamin’ny endriny teo aloha ny andiany faharoa fa nohatsaraina sy nohamaroina ny kilalao ao anatiny. «Hatsaraina ny teo aloha… Hitondra zava-baovao ho an’ny rehetra ity andiany faharoa ity», hoy Rafehivola Finaritra, anisan’ny mpikarakara ilay hetsika lehibe momba […]
kolon-tsaina
Serasera sy kolontsaina : Ho mpiara-miasa akaiky i Egypta
Efa nisy ny fiaraha-miasa hatramin’izay, saingy nohamafisina izany. Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Nanisana, ny masoivohon’i Egypta miasa eto, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Niompana tamin’ny lafiny serasera sy ny kolontsaina ny dinika teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny […]
TARATRY ny KANTO
“Tohy”. Io ny anaran’ny fampirantiana ny sanganasan’i Hagani Sainana, izay hotontosaina ao amin’ ny IKM Antsahavola, manomboka ny sabotsy 1 febroary. Hotontosaina amin’io fotoana io ny fanokafana, ary ny 15 febroary kosa ny fihaonana amin’ny mpanakanto, ho an’ireo liana amin’ny sanganasany. Lany ho ben’ny Tanànan’Antsohihy i Vaney’s. Nambara tamin’ny fomba […]
Nivoaka omaly ny boky « Valihan’Ikaky » -I : Hahazo tombony ny Malagasy any ivelany
Tanteraka ny fanamby. Nahita masoandro, omaly, ny « Valihan’Ikaky »-I. Boky fampianarana mitendry valiha manaraka ny fomba fampianarana zavamaneno maneran-tany. Araka ny nambaran’ny mpanoratra sy ny tomponandraikitry ny famoahana: « hahazo tombony ny Malagasy monina ivelan’i Madagasikara, satria, any no hanapariahana azy ity voalohany ». Anisan’ny antony nahatonga izany ny fisian’ny zavamaneno valiha isaky […]
Rijade : Hiara-hiasa amina vahiny mpanakanto maro
Voafidy ho masoivohon’ny Yas ihany koa i Rijade. Mariky ny fisokafany eo amin’ny mozika izany, izay arahin’ny famoahana vokatra iarahany amina vahiny mpanakanto maro, amin’ity taona 2025 ity. “Andro manokana ho ahy ity anio ity”, hoy ny nambaran’i Rijade, omaly. Andro izay nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny maha ambasadaoron’ny Yas […]




