kolon-tsaina

Tontolon’ny hira malagasy: nodimandry Rakotoson Rémi (Tarika Remy)

Nindaosin’ny fahafatesana, ny harivan’ny 7 janoary 2025 teo amin’ny faha-65 taonany, Rakotoson Rémi filohan’ny tarika Remy. Nambaran’i Mami Bastah fa : « Mahatsiaro irery, satria, ny tenako irery sisa no mpikambana namorona ny tarika Remy tamin’ny taona 1982 fa lasa daholo ry zalahy ». Anisan’ny sanganasa nahafantarana azy (Rémi) sy ny tarika Remy […]

« Le Meilleur Pâtissier »: hiatrika ny famaranana i Tsiory Razafinimanana, anio

Mamiratra ary tena misongadina ny Malagasy. Manaporofo izany i Tsiory Razafinimanana amin’ny fandraisan’anjarany amin’ny “Le Meilleur Patissier”. Tanterahina anio hariva, any Paris France ny famaranana ny “La Meil­leur Patissier” andiany faha-13. Fifaninanana manamboatra mofomamy, karakarain’ny fahitalavitra Frantsay M6 izy ity. Anisan’ireo telo hiatrika izany dingana lehibe izany i Tsiory Razafinimanana, […]

Fondation H: voaravaka hetsika ara-javakanto ny janoary

Misokatra sy ahitana hetsika maro samihafa eny amin’ny Fondation H Ambatomena, na mbola andro vitsy aza no niantombohan’ny taona. Ankoatra ireo fampirantiana mandravaka ity ivontoerana ity, amin’izao fotoana izao, hita eny an-toerana ny atrikasa natao ho an’olon-tsotra. Eo ihany koa ireo fampiofanana sy velakevitra misokatra ho an’ny rehetra. Amin’ny ankapobeny, […]

Madagascar Mozarteum: hosokafan’i Jino Ramanambohitra ny sehatra

Fanombohana miavaka! Amin’ny alalan’ny hakanton’ny feon-gitaran’i Jino Rama­nambohitra no hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny seho karakarainy isaky ny «Dimanche clasique». Tafi­ditra ao anatin’ny fanombohana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny Mozarteum ity an­diany faha-18 ity. Fampise­hoana an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba (AFT), ny 12 janoary izao, manomboka amin’ny 4 […]

« ODD à travers l’Arts- Madagascar »: Malagasy mpanakanto 17 nandray anjara

Nifarana omaly, teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny «ODD à travers l’Arts- Madagascar». Hetsika karakarain’ny Galerie ZeeArts avy any Dubaï, miaraka amin’ny Commission de l’Océan Indien (COI) sy ny Rotary Club Antananarivo Ivandry. Malagasy mpanakanto misehatra amin’ny fanaovana sary miisa 17 nandray anjara tamin’ny hetsika. Atri­kasa sy fampirantiana no nandravaka […]