Anisan’ny zavamaneno mampiavaka sy ahafantarana an’i Madagasikara ny valiha. Manomboka mivelatra eo amin’ny tsena ivelany ny varotra atao aminy. Raha ny vidiny no iaingana, efa manomboka mitovy laharana amin’ny gitara. Tany ho any amin’ny faramparan’ny taonjato faha-18, nanomboka nalaza ny fampiasana ny gitara. Nisandrahaka haingana teo amin’ny tontolon’ny hira maneran-tany […]
kolon-tsaina
Zavakanto: mila jerena akaiky ny asa tanana
Tsy afa-misaraka ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny asa tanana. Tsy mifanalavitra rahateo ny fanahy mampifamatotra azy ireo. Na izany aza, saika mandeha ila ny fampandrosoana ny asa tanana. Ilay varotra amin’ny maha « entana » azy no tonga mialoha fa tsy ny fanahy hoenti-mamorona sy mamita ny asa. Ny varotra […]
Fondation H Ambatomena: hizara ny fahaiza-manaony ry Aina Zo R.
Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny tafa sy dinika iarahana amin’i Aina Zo Raberanto sy i Miora Rajaonary. Manodidina ny fampirantiana « Lamba » no tena resahina ao anatin’izany. Ho hita ao anatin’izany ny hevitra fonosin’ireo zavakanto mandravaka ny fampirantiana. Eo ihany koa ny fomba maro samihafa nampiasain’ny Malagasy izany […]
Faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra: mpanoratra 40 nomena ny mariboninahitry ny kanto
Anisan’ny fikambanana “zoky” namolavola talenta maro ny Faribolana Sandratra. 35 taona aty aoriana, notoloran’ ny fanjakana mariboninahitra ireo mpikambana maro ao anatiny, ho fankasitrahana sy ho fampirisihana azy ireo hanohy ny ezaka vitany. Nampiakarina ho eo amin’ny laharan’ny “Commandeur des arts, des lettres et de la culture” ny poeta, mpanoratra […]
Jyeuhair: hanao seho roa eny amin’ny Ony House
Mandalo an-tanindrazana i Jyeuhair. Teratany malagasy izy, saingy monina any Frantsa, efa ho 16 taona izao. Hanao seho roa ity mpanakanto mpanao rap, izay nasongadin’ny fandaharana “Nouvelle école” ity. Anio hariva ny seho voalohany, etsy amin’ny House Ambatobe. Ao ihany koa ny faharoa rahampitso, samy amin’ny 7 ora. Mialoha izay […]




