kolon-tsaina

Faran’ny herinandro – Kabary: nandia hetsika maro ny Fi.Mpi.Ma

Na teto an-toerana na tany ivelany, nanatontosa hetsika maro ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), ny faran’ny herinandro teo. Sabotsy 23 septambra, namoahana ny andia Rakotoson Daniel sy fanasalorana lamba ny sampana Fi.Mpi.Ma Ivon’i Gasi­kara any Soavinandriana. Fankalazana sy fandraisana ny fanilo faha-60 taona sy fankalazana ny faha-15 taonan’ ny […]

“Slam national 14”: hisy ny tafa amin’ i Marc Smith

Tontosa anio ny hetsika “Slam Family” sy ny tafatafan’ny mpandray anjaran’ny “Slam national” amin’i Marc Smith, he­tsika izay tafiditra ao anatin’ny «Slam national 14». Ny mpandray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly no tena hahazo tombony amin’ity hetsika anio ity. Tanjon’ny Madagaslam, izay mpikarakara ny hetsika, ny fanomezana fahafaham-po sy hampandraisana anjara […]

Literatiora am-bava : miverina amin’ny heriny ny teatra malagasy

Haikanto nanana ny toerany teo amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny teatra malagasy fahiny. Somary tsy hita anefa izy io tao anatin’ny taona maromaro. Efa hita taratra kosa ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny famerenana izany haikanto izany, amin’ny maha izy azy. Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny […]

« Beatbox Battle Madagascar » : hampiavaka ity andiany ity ny “Improv’Battle”

Hotanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ny Cer­cle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana «Beatbox Battle Madagascar» andiany fahadimy. Sokajy telo no hifaninanana mandritra izany : «Tag team» sy «Solo» ary «Improv Battle». Mitotaly 12 no isan’ny mpifaninana, ankoatra ny amin’ny “Im­prov’Battle”. Hampiavaka ny hetsika ny fihaonana an-tsehatra eo amin’ireo […]