Miandry ny vokatra… Tontosa omaly, ny fanomanana ho an’ireo mpanakanto nifaninana anatin’ny sokajy saripika, sokitra ary hosodoko, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy, any Kinshasa, RDC. Na teo aza ny fahataran’ny fitaovana nampanantenain’ny komity mpikarakara, tratran’i Richianny Ratovo ihany ny sanganasa nataony taty an-toerana. Toraka izany koa ny an’i Fitiavana Ratovo […]
kolon-tsaina
Fampitiavana ny jazz : naroso ny andiany faha-12 amin’ny « Jazz@tohatohabato”
Hetsika kolontsaina anisan’ny lehibe fanao isan-taona eto Madagasikara ny “Jazz@tohatohabato”. Hotontosaina tsy ho ela ny andiany faha-12. Raha ny volana oktobra hatrany no nahazatra ny mpitia jazz hatramin’izay. Ho an’ity andiany faha-12 ity, naroso izany. Hotanterahina eto an-drenivohitra sy ny manodidina, ny 9 aogositra ka hatramin’ny 13 aogositra izao ny […]
Lalaon’ny Frankôfônia- Hip Hop : Andrandraina ny fandresen’ny Moustik Crew
Niaka-tsehatra voalohany ny Moustik Crew, omaly. Ekipa malagasy eo amin’ny hip hop, miady medaly aty Kinshasa, RDC, anatin’ny lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. Nampihoraka ny mpijery rehetra, na ny tompon-tanàna aza ny sehon-dry zalahy taizan’i Angeluc Rehava ireto. Andrandraina mafy, araka izany, ny hitondran’izy ireo medaly mody. Tafakatra hiatrika ny «battle», […]
« Mitodiha anie e! » : maneho ny maha izy ny Varatava ny ranty
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Ivotoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny fampirantiana « Mitodiha anie e! », karakarain’ny fikambanana Varatava. Nisy ny fampahafantarana ny mahakasika ny sary miranty, nataon’ny mpahay kanto nanao azy, nandritra izany lanonana fanokafana izany. Sary maro samihafa, nataon’ny mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity no […]
Fampandrosoana: mila manana arsiva ny sehatra tsirairay
Tahiry taratasy maro. Mety nifandraisana taman’olon-kafa, mety natao teo amin’ny sehatry ny raharaham-panjakana ihany koa. Arsiva avokoa ireny. Fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana. Afaka manangona ireo taratasy heveriny fa ilaina sy tokony hotahirizina ny tsirairay. Na tsy ho azy (ho an’ilay nanangona) mivantana aza, ahafahan’ny taranaka any aoriana mijery sy mamantatra […]