kolon-tsaina

Madagasikara-Nouvelle Calédonie : mitohy ny fifanakalozana ara-kolontsaina

Mitohy ny tetikasa fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Nouvelle Calédonie. Eny amin’ny Ivontoeran’ny ko­lontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, mandritra ny 15 andro no hanatanterahana izany. Ny IKM Antsahavola sy ny Centre culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) no misolo tena ny Nosy roa tonta amin’ny fanaovana izany fifanakalozana izany. Efa […]

Hoenti-manana ny tsangambato faha-60 taona : hanatanteraka « Sahobin’ny Mpikabary » ny Fi.Mpi.Ma

Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) mandia ny faha-60 taona niorenana. Maro ireo hetsika hotanterahina ao anatin’ny fankalazana io vanim-potoana io. Goavana rahateo ny tsangambato haorina… 60 taona aty aorian’ny niorenan’ny Fikam­banan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manana vina hanangana foiben-toerana lehibe ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny […]

Fianarana mozika : hilaza ny heviny i Seta Ramaroson

Nisafidy lohahevitra iray lehibe i Seta Ramaroson, ma­noloana ny fianarana mozika : « Ampy ve ny fitendreko ire­ry ? Ilaiko ve ny fiarahana mitendry amin’ny hafa » ? Ny zoma 26 mey izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny Ivontoerana Mian­galy Tsimbazaza no hanatanterahiny ny famelabelaran-kevitra mifandraika amin’izany. Seta Ramaroson, mpampianatra mozika anisan’ny manana […]

Fampirantiana « Antson’ny tontolo miaina » : maneho ny fahasimban’ny tontolo iainana ireo haikanto

Tontosaina eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny hetsika « Antson’ny tontolo miaina ». Efa nisokatra ny 20 mey 2023 ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 jona 2023. Fampirantiana haikanto maneho ny fahasimbana sy ny olan’ny tontolo iainana no hita ao anatin’izany hetsika izany. Haikanto samihafa, avy amina mpahay kanto […]

Endrika ivelany sisa : tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny »

4 jona, andro tondroin’ny fanisanandro gregoriana fa hanamarihana ny « Fetin’ny Reny » amin’ity taona 2023 ity. Tolorana fanomezana ny reny. Hanehoana fitiavana lehibe sy miavaka raha hampitahaina amin’ny fahita sy iainana andavanandro i Neny, rehefa mandalo io fotoana io. Nivelatra fa tsy nijanona tamin’ireo vehivavy niteraka (na­hi­tana masoandro) ihany koa ny […]