Hisy koa ny « jazz Mobile » mandritra ny « Madajazzcar 2024 ». Ny zoma 4 oktobra izao ny fotoana, ka eny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha ny seho voalohany, amin’ny 9 ora maraina. Ao amin’ny AFT Andavamamba kosa ny seho faharoa, amin’ny 4 ora hariva. Ny Jazz Club an’ny AFT miampy an’i Sitraka sy […]
kolon-tsaina
« Madajazzcar 2024 » : vahiny manokana ry Clarisse Sisters
Seho enina eto Antananarivo. Io no nampahafantarin’ny The Clarisse Sisters fa hotontosainy, mandritra ny fandalovan’izy ireo eto Madagasikara. Vahiny manokan’ny “Festival Madajazzcar” andiany faha-35, izay hotontosaina ny 3 hatramin’ny 13 oktobra izao ny tarika. Mpiangaly ny jazz avy atsy amin’ny Nosy Maurice, saingy efa mpisehatra amin’ireo hetsika iraisam-pirenena maro any […]
Rajoelina Andry : « Hiverina ary hanana ny hasiny ny TVM »
Anisan’ny ho ainga vao ho an’ny Televizionina Malagasy ny fahazoana fitaovana vaovao sy fotodrafitrasa vaovao. Hitarika fomba fiasa vaovao ihany koa ho an’ireo mpiasa ary hitondra vaovao tsara kalitao ho an’ny mpijery. Notontosaina omaly, ny fitokanana ny « studio » vaovaon’ny Televizionina Malagasy (TVM) sy ny fanolorana ny fitaovana avy amin’ny vahoaka […]
« Metal Madness Legends » : mbola manana ny mpankafy azy ny gadona metaly
Tontosa ny sabotsy 28 septambra 2024, teny amin’ny Kianja Analamaitso Analamahitsy, ny fampisehoana «Metal Madness Legends». Fampisehoana nankafizana gadona metaly rano iray izy ity, niarahana tamin’ireo tarika mivoy izany gadona izay. Anisan’izany ny Kazar, Apost, Egraygore ary Seth on fire. Fahombiazana no azo ilazana ity fampisehoana nokarakarain’ny Oz Rekordz ity. […]
TARATRY ny KANTO
Lasan’i Faniry Fanomezantsoa ny laharana voalohany teo amin’ny fifaninanana miantsa tononkalo, nokarakarain’ny Faribolana Sandratra, ho fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Teny amin’ny CGM Analakely, ny faran’ny herinandro teo, no nanaovana ny famaranana. Niisa 13 mianadahy izy ireo no nifaninana ary tena sahirana ny vondron’ny mpitsara noho ny fahaizan’ireo mpifaninana. Nisokatra […]




