kolon-tsaina

Iraimbilanja- 40 Taona : niaraka nifaly tamin’ny mpankafy ny tarika

Tontosa omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Esca Anta­nimena, ny fampisehoana nankalazan’ny tarika Iraimbi­lanja ny faha -40 taonany. Nanotrona azy ireo ny mpankafy sy ny namana ary ny zanaka aman-jafin’ny mpikambana. Tsy niova fa ny hira sy ny fampisehoana nahafantarana ny tarika Iraimbilanja no niarahana. Tonga nanotrona ny tarika i Nini ao […]

40 taona an-tsehatra : namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy i Poopy

Namoaka mpanakanto tsy lefy laza maro ny taona 1983… Anisan’ireo manamarika ny faha- 40 taona niakarany an-tsehatra koa i Poopy. Mbola noporofoiny kosa fa manan-toerana ao am-pon’ ny mpankafy izy… Am-polony ny seho ta­min’iny faran’ny herinandro iny, raha ny teto an-drenivohitra fotsiny. Anisan’ireo nisongadina indrindra tamin’ireny ny an’i Poopy ny tolakandron’ny […]

Faha-100 taonan’i Nirhy-Lanto : hisy fifaninanana asa soratra amboaran-drindrambolana

«Ho an’ny tanindrazana, ho an’ny tenin-drazana». Io ny lohahevitra iompanan’ny fifaninanana asa soratra, izay entina hanamarihana ny faha-10 taona nahaterahan-dRako­tonirina Charles Victor, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana maha mpanoratra, Nirhy-Lanto. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika amin’ny ankapobeny sy ny fifaninanana manokana, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Havatsa-Upem, Tahala Rarihasina. Ity fikambanan’ny […]

Hanampy ny ankizy kere : hanao vaky sehatra ny Tarika Ny Ainga

Hotontosaina rahampitso, eny Antsahamanitra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny vaky sehatra ho an’ny tarika NyAinga. Mikarakara izany ny fikambanana Malaza ny Gasy. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo izy ireo amin’ny alalan’ny “école de la chance”. […]