Nodimandry i Main Main. Anisan’ireo mpanakanto mpamoron-kira, mpitendry ary mpandrindra hira nanosika tarika maro izy. Saika nisy dian-tanan’i Main Main avokoa ireo hira malazan’ireo tarika avy any avaratra tamin’ny fotoan’androny. Ilay hirany “Tsy mahangoma” sy “Soava dia” no tena nahafantarana azy. Izay rahateo no nahatonga ny anarany ho Main Main […]
kolon-tsaina
Tontolon’ny paikafo: nodimandry Andriamanantena Solofo Andry
Alarobia 4 septambra, nodimandry teo amin’ny faha-72 taonany, Andriamanantena Solofo Andry, fantatra amin’ny solonanarana «A.S. Andry», amin’ny maha mpanakanto azy. Ny tontolon’ny paikafo ( sary amin’ny takelaka hazo nosokirina tamin’ny «vy» mahamay) no tena nahafantarana ity zanak’i Rado mpanoratra (Georges Andriamanantena) ity. Asa tanana nampamirapiratra ny talentany, satria, hainy ny […]
«Angaredona Mozika Festival»: Sehatra ivelaran’ny mozika miaina eto Madagasikara
Hotontosaina eto Antananarivo ny andiany faha-18. Tarika avy amina faritra maro, samy mivoy ny mozika miaina, no homena sehatra mandritra ny “Angaredona Mozika Festival”, hanandratany ny kantony. «Angaredona». Mahalaza be izay anarana nosafidiana ho an’ity hetsika ho an’ny mozika miaina eto Madagasikara ity. Fantatra fa hotontosaina ny 20 hatramin’ny 22 […]
« Festival Temps Fort Danse »: hiaka-tsehatra ny Collectif Ndaty
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM Analakely), ny fampisehoana ny «Inclusion». Soradihy iarahana amin’ny vondrona mpandihy, Collectif Ndaty izy ity, izay tafiditra ao anatin’ny hetsika «Festival Temps Fort Danse», andiany faharoa. Mifantoka tanteraka amin’ny dihy, manana tanjona ny hampivondrona ho iray ny dihy sy ny mpiangaly […]
Lasa kilalaom-bahiny…: mila mijery ny fototra Malagasy
Na tsy azo ampifandraisina loatra aza, satria, samy manana ny hanitra ho azy. Misy fifamatorana ihany ny kolontsaina malagasy sy ny finoana nampidirin’ny vahiny noho ny nisian’ny vanim-potoana ela niarahan’ny roa tonta. Na izany aza, aleo ny fototra no hilaza ny fahamarinana ! Tsy nankalaza ilay lazain’ny kristianina fa «andro nahaterahan’ny […]




