Hiseho amin’ny fahitalavitra ny 26 marsa 2023 ny fifaninanana «The Voice Africa», fampisehoana hanehoana ny talentan’ireo tanora afrikanina. Fifaninanana tohanan’ny Airtel Africa miaraka amin’ny ”Fame Studios Africa” hanehoana ny fandaharana, hita amin’ny fahitalavitra maimaimpoana sy Airtel TV. 78 804 no efa nisoratra anarana hifaninanana, avy amin’ny firenena maro aty Afrika, anisan’izany […]
kolon-tsaina
Slam-poésie: hiverina ny fifaninanana an-tsekoly
Hiverina ny fifaninanana Slam eny anivon’ny sekoly. Ny “Slam-poésie” izay anisan’ny fantsona afaka mampita fanabeazana sy fahalalana. Hisy indray ny «Tournoi inter-établissement», eo amin’ny Slam-poésie, karakarain’ny Alliance Française d’Antananarivo, Aft Andavamamba miaraka amin’ ny fikambanana Madagaslam. Ny ankizy sy tanora 13 hatramin’ny 17 taona, eny anivon’ny sekoly no hasaina handray […]
26 marsa 2023 : 200 taona ny lalàn’ny abidia malagasy
Raha ny tantara voasoratra, ny mpanjaka Radama I, no namoaka ny lalàna momba ny abidia malagasy ny 26 marsa 1823. Anisan’ny hanamarika io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy, Havàtsa-Upem. Hetsika hotanterahina ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hevi-dehibe hiompanan’ny […]
Tohin’ny fanamarihana ny faha-70 taona: hivelatra kokoa ny « Star Tour » any Antsirabe
Efa fotoam-bita ! Raikitra indray ny « Star Tour » any Antsirabe, izay hanokafana ny amin’ity taona ity. Mipetraka hatrany ny fanamby goavana ho an’ny mpikarakara. Anatin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Star avokoa ny hetsika rehetra amin’ity taona ity. Mba hampiavaka izany, hivelatra kokoa noho ny mahazatra isan-taona ny « Star Tour ». Hanomboka ao […]
Hatsikana: hiaka-tsehatra indray i Lolosy Bonatsara
Mitohy hatrany ny hetsika “Hanomano Show, one man show”, iarahana amin’i Lolosy Bonatsara. Ny Sagittarius Madagascar, tohanan’ny ivontoerana miantsoroka ny fampiroboroboana ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika. Eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso indray no hanatanterahana ny seho amin’ity anio ity. “Zay fotsiny e !” no lohateny sy teny enti-manentana ny […]