Nifarana omaly ny telo andro nankalazana ny lohataona taom-baovao malagasy. Tanjona napetraka ny hampiombona sy haneho ny kolontsaina rehetra isam-paritra. Tontosa tetsy amin’ny tranomboky nasionaly Anosy, ny sabotsy teo, ny hetsika fanomezan-kasina ny kolontsaina isam-paritra. Hetsika iray nanehoana ny kolontsaina mahakasika ny lohatoana taom-baovao malagasy. Anisan’ny nanamarika sy nampiavaka izany, […]
kolon-tsaina
Ifanihy – Tselonina –Levelo: nalai-nisaraka ny rehetra
Fihaonana nanjakan’ny embona sy tsiahy. Feno fihetseham-po maro ihany koa ny seho izay notontosain’ny tarika Levelo, Tselonina ary Ifanihy, ny sabotsy hariva teo, tetsy amin’ny Phô Resto-Aire du By Pass. Efa tena ela no tsy nisy ny fiarahana an-tsehatra ho an’ireto tarika samy tompon’ny hira ireto. Efa ela ihany koa […]
“Sitabaomba”: horonantsary manaitra ny fiarahamonina
“Sitabaomba”. Lasa anaran’ny faritra iray eny Ivato eny izy ity. Nataon’ilay mpanatontosa sarimihetsika malagasy, Lova Nantenaina, lohatenin’ ilay horonantsary navoakany, izay natao hanaitra ny fiarahamonina. Nalefa voalohany ny zoma teo, tany Paris, ity horonantsarimihetsika ity, nandritra ny hetsika nokarakarain’ny mpilaravinahitra any an-toerana. Rahampitso kosa ny anjaran’i La Réunion ary ny […]
TARATRY ny KANTO
Tselonina, Ifanihy ary Levelo, eny amin’ny Pho Resto aire du By Pass. Anio manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ity fiarahana anisan’ny be mpiandry ity. Efa nisy fahiny, saingy mbola be mpankafy hatrany izany. Fiarahan’ny vazo miten’Ifanihy, ny hira vokatry ny tanin’ Ingahibe Tselonina ary ny angolan’ny tarika Levelo, feno ny […]
“Star Tour Toamasina” : Andrasana ry AmbondronA
Mbola tsy lefy ny resaka mahakasika ny sehon’ny tarika AmbondronA tetsy amin’ny Coliseum farany teo. Maro ireo mpankafy any amin’ny faritra ny mangetaheta te ahita izany, kanefa ry zareo ao Toamasina aloha no ho tsara vintana manaraka eo. Anisan’ireo tarika andrasana fatratra mandritra ny “Star Tour”, farany amin’ity taona ity, […]





