La Teinturerie – Tarika Mbola Talenta Ao anatiny tanteraka! Taorian’ ny seho fampahafantarana ny asabotsy teo, hiaka-tsehatra sahady etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ry Mbola Talenta sy ny tariny, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Fotoana hizaran’izy ireo hatrany ny sanganasany, mozika miaina mifototra amin’ny tendry gitara ravahina zavamaneno malagasy […]
kolon-tsaina
Oniversiten’Antananarivo : Mahaliana ny tanora ny hetsika kolontsaina maroloko
Hetsika lehibe ahafahana mamantatra sy mampahafantatra kolontsaina maro ny hetsika “Kolontsaina maroloko”. Fotoana ihany koa hiraisana sy hifanakalozana ho an’ny tsy mitovy fiaviana, indrindra ho an’ny mpianatry ny anjerimanontolo. Tanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny 15 sy 16 desambra 2022, ny hetsika “Kolontsaina maroloko”, andiany faharoa. Hetsika karakarain’ny sampandraharahan’ny kolontsaina eo […]
Fiainam-piarahamonina : mbola voazanaka i Madagasikara
An’ny Malagasy i Madagasikara. Ekena, saingy tsy izay ny tena zava-misy marina ! Manana ny fombany ny Malagasy. Tsy azo lavina, saingy zovy no miaina izany amin’izao vanim-potoana izao ? Teny malagasy no ifampiresahana. Efa mifangaroharo be izy ankehitriny fa tsy madio ranoiray intsony. Natolotra ny Malagasy tamin’ny taona 1958 ny fahaleovantenam-pirenena… […]
“Dahalo Tour 2022” : nahavita seho 26 tany Eoropa ry Dizzy Brains
Anisan’ireo tarika malagasy mivoy ny rock, misongadina hatrany ivelany ry Dizzy Brains. Porofon’izany ny fahombiazan’ny “Dahalo Tour 2022”, na ny fitetezam-pirenena tany Eoropa nataon-dry Eddy sy ny tariny. Tontosa avokoa ireo seho 26 nampahafantarina mialoha, izay nanomboka tamin’ny volana jolay tao Frantsa. Tany rahateo ny ankamaroan’ny seho, ankoatra ny tany […]
Fitantanana ny zon’ny mpamorona : lany teny Tsimbazaza ilay tolo-dalànan’i Rossy
Taorian’ny asam-baomiera tamin’ny alatsinainy, nentina teo anivon’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina teny amin’ny Antenimerampirenena Tsimbazaza ilay tolo-dalàna avy amin’ny solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert, na Rossy, omaly. Nolanian’ireo solombavambahoaka tonga tao, araka izany, ilay tolo-dalàna laharana faha-002-2022/PL, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana 94-036 mahakasika ny zon’ny mpamorona. Antony maromaro no […]