kolon-tsaina

Haneho ny maha izy azy: hiaka-tsehatra ny tarika Iniah

Hiverina hiaka-tsehatra indray ny tarika Iniah, mivoy ny mozika mafana, amin’ny 2 marsa izao, manomboka amin’ny iray ora tolakandro, rehefa tsy henoheno nandritra ny fotoana naharitra. Hatao etsy amin’ny Le pavé Anta­naninarenina ny fampise­hoana “dejeuner concert” karakarain’izy ireo, mitondra ny lohateny hoe: “embona sy kalo”. Tanjona ny hampahafantarana ny vokatra […]

Tsara fanombohana : nanana kalitao tsara ny « Reko Tour 2024 »

Raikitra ny fitetezam-paritra ho an’ny tarika Reko. Nisantarana izany ny fampisehoana notanterahina teto an-drenivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny fa­namarihana ny faha-5 taonan’ny tarika Reko. Hanatanteraka fitetezam-paritra maro izy ireo amin’ity taona ity. Natomboka ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny efitrano « Horloge » Gara Soa­rano, ny « Reko Tour 2024 ». […]

Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy: mankalaza ny faha-67 taona nanoratana

Notanterahina omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny lanonana fanokafana ny fankalazana ny faha-67 taona nanoratan’i Esther Rasoloarimalala Ran­dria­mamonjy (E. R. R). Mala­ga­sy mpanoratra anisan’ny ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra, eny amin’ny ambaratonga faharoa. Ma­nampahefana maro, avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina sy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, niaraka tamina […]