kolon-tsaina

IFM Analakely : hivoaka ny sanganasa vaovaon’i Rolling P. sy Rafally

Tontosaina eny amin’ny «Institut Français de Ma­da­gascar» na IFM Analakely, ny asabotsy 14 janoary 2023, ny fampahafantarana ny sanganasa «Trafika». Tantara mitohy an-tsary milazalaza ny tantaran’ny kitapo mistery iray izy ity. Fiaraha-miasa teo amin’i Rafally, mpanao sary, sy Rol­ling Pen, mpandrindra an-tsehatra no nahatanterahana izao zavakanto izao. Mitohy ny fanomezana […]

“Ny itiavako anao” – 52 taona : miandrandra ny fiarahana amin’i Bessa sy Lôla ny eto

Manam-bintana ireo Ma­la­­gasy monina any Frantsa! Fantatra mantsy fa hihaona amin’i Bessa sy Lôla ary hanatrika ny fampisehoana izaho hotontosaina anio, any Paris izy ireo. Rariny raha toa ka andro vitsivitsy mialoha dia lany ny tapakila ka feno ny seza ao amin’ny Pyramydes, handray ny seho. Ela niandrasana tokoa mantsy […]

Kianja Analamaitso: hankalazaina ny “Andron’ny kabary”

Ny 15 desambra 2021no nankatoavin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny fifanarahan’ny Unesco sy fanoratana ny kabary Malagasy ho ao anaty lisitry ny “harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho­an’ny zanak’olombelona” (Pa­trimoine culturel immateriel de l’humanité). Ny 15 janoary 2022 kosa no nambara tamin’ny fomba manetritrekitra izany, tao amin’ny lapan’Andafia­vara­tra. Nanomboka tamin’izay koa no […]

Fampivelarana kolontsaina: saba-droa lela ny firoboroboan’ ny fampianarana zavakanto

Vao sokafana ny tambanjotran-tserasera isan-karazany… Mipoitra marobe ny « misokatra ny sekoly fampianarana… Endrika maneho fa hivelatra ilay zavakanto. Tsy ampy anefa raha hatreo ihany no hijerena ny tranga tahaka itony ! Mitombo isa fatratra an­kehitriny ny fisokafan’ny sekoly na toeram-pampianarana zavakanto sy kolontsaina indrindra any amin’ny tanan-dehibe. Endrika maneho fa mivelatra […]