Ny 24 aogositra 2024 no hifarana ny hetsika «Lignes de failles», atao eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely. Fampirantiana sary sy fandefasana horonantsary ary velakevitra arahina adihevitra no mandrafitra ity hetsika ity. Mpahay kanto miisa telo samihafa no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao sy mandranty ny haikantony […]
kolon-tsaina
Tantara amin’ny Radio: Tsy omen-kasina ny mpilalao sy ny mpanoratra
Tao anatin’ny folo taona, nanomboka niverina indray ny fitiavan’ny Malagasy mihaino tantara mandeha amin’ny Radio. Nitarika firoboroboana teo amin’ity tontolo ity izany. Saika mandefa tantara ny ankamaroany mba hoenti-misarika ny mpihaino… Fandaharana anisan’ny maro mpihaino ao amin’ny Radio ny tantara. Olombelona maro, andraikitra samihafa no mifameno vao afaka henoina ny […]
IKM Antsahavola : hiverina ny « Antsika Hisôma vakansy »
Maro isan-karazany ireo hetsika mandravaka izao fialan-tsasatra lehibe izao. Anisan’ny fotoana ihany koa hialana voly sy hianarana zavatra hafa ivelan’ny fianarana, indrindra ho an’ny ankizy. Hotanterahina eny amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny 16 jolay 2024 hatramin’ny 16 Aogositra 2024, ny « Antsika Hisôma vakansy ». Hetsika ara-javakanto sy kolontsaina maroloko […]
TARATRY ny KANTO
Homarihina an-tsehatra ny tsingerin-taonan’i Nini Kiaka. Afakomaly ilay tena andro lehibe, saingy hanaovany fety miaraka amin’ireo mpankafy izany, ny alahady 14 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Karibotel Analakely. Hanampy azy an-tsehatra mandritra izany ireo mpitendry sy mpihira naman’i Nini. Tanterahina anio, eny amin’ny AFT Andavamamba, ao […]
Hiverina an-doharano : ny tora-po no betsaka
Izao vanim-potoana izao no manesika sy manosika mafy ny hetaheta hiverina eny an-doharano sy ny fikarohana ny fototra, raha ny nambaran’ny mpikaroka maro. Ny vanim-potoana antsoina hoe « ère de verseau » no mahatonga izany, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Ho an’ny Malagasy, ny tora-po no betsaka. Tafajanona hatreo amin’ny endrika ivelany […]





