Hivoaka tsy ho ela ny boky « Toe-tsaina mpandraharaha » nosoratan’Andrianomenjanahary Fameno Antenaina na Nel Cael. Boky 80 pejy, hanentanana ny tanora hiroso amin’ny famoronana asa. Maneho momba ny toe-tsain’ny mpandraharaha mahomby. “Hamoha sy hanaitra ilay mpandraharaha ao anatin’ny tsirairay mba hahay hamorona asa sy handraharaha eto amin’ny firenena ary hambolena […]
kolon-tsaina
Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina : « Fanatontosana fomba ara-pinoana… Tsy tokony hisy ny fifanitsahana »
Manoloana ny zava-niseho teny Ambohimanga, ny 29 desambra 2022 teo, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny tale misahana ny fifandraisana amin’ny daholobe, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. «Manoloana ny tranga niseho teny amin’ireo doany eny amin’ny Vohitr’ Ambohimanga farany teo ka nanaovan’ny tobim-pifohazana diabem-panafahana dia mahatsiaro ho manana adidy ny minisiteran’ny […]
Slam- Amboara eran-tany : vonona tanteraka i Hichim
Hifantoka amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny “Slam” i Abdoul Anlim Abdillah na Hichim. Fifaninanana izay hotanterahina ny 15 mey hatramin’ny 20 mey 2023 any Paris. “Tsy hijery izay ho mpifaninana amiko aho, fa ny tsara indrindra avy amiko no omeko, ho voninahitr’i Madagasikara sy ny […]
Fomba tany: mihatra ny fadin-tany ho fiarovana ny voly vary
“Raha tiana honenana ny tany, ny satany no mila arahina”. Maro ny fomba sy ny fady amin’ny tany sasany no tsy voahaja sy tsy misy intsony. Mbola maro ihany koa anefa ny mbola mipetraka sy voahajan’ny mponina ao aminy. Nanomboka nampihatra ny fadin-tany isaky ny vohitra manana lemaka misy voly […]
Fakafaka: Iza no ho « Mpanakanton’ny taona »?
Tsy ilay fifaninanana na fitsapana ny hevitry ny mpihaino radio na mpijery televiziona akory ny tian-kolazaina eto fa ireo izay hisongadina amin’ity taona vaovao 2023 ity. Iza ireo mpanakanto hahaforona zava-baovao ka hahasarika olona. Tsy voatery ho eo amin’ny tontolon’ny hira irery ihany koa fa rehefa mety ho zavakanto, tokony […]