Hotontosaina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ny 1 marsa ka hatramin’ny 8 marsa izao, ny andiany faha-7 amin’ny «Rallye Moi(s) Théâtre». Amin’ny ankapobeny, notazonina hatrany ireo fandaharanasa nahafantarana ity hetsika karakarain’ny Compagnie Miangaly Théâtre ity hatramin’izay. Anisan’izany ny fampisehoana eny an-tsehatra, ny atrikasa sy ny fifanakalozana ary ny «soratra». Ho […]
kolon-tsaina
Mpitovo mananatra ny manana: miroborobo fatratra ny mpanao « développement personnel »…
Mitady izay hiantsampazana ny Malagasy. Mitotototo any amin’ny tontolon’ny fivavahana. Mirona any amin’ny resa-pinoana… Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, maro ny miantoraka any amin’ireo milaza sy mitonona ho «coach» manao ny «développement personnel», satria ireny indray no eritreretin-dRamalagasy fa hamaha ny olany. Miaina ao anatin’ny fahoriana sy fahantrana lalina ny […]
Tarika AmbondronA : fiakarana an-tsehatra voalohany ho an’ny taona 2024
Seho tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay. Fampanantenana nataon’ny tarika AmbondronA io, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety AmbondronA, tarika tsy zoviana amin’ny mpitia zavakanto. Hiakatra an-tsehatra voalohany amin’ity taona 2024, eny amin’ny efitrano malalaky ny CCI Ivato, ny 25 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiavaka ny seho, satria, […]
Fihetsiketsehana no betsaka : malaza tsy ampiasaina toy ny « teny ibeazana »
Manana ny teny malagasy ny Malagasy. Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny teny ibeazana ny Malagasy… Saingy, ny voalohany malaza tsy ampiasaina, ny faharoa ny fihetsiketsehana no betsaka. Misy olona na vondrona olona mikendry ny hamotika tanteraka ny teny malagasy eto. Anisan’izany ireo minia mikipy manoloana ny tena zava-misy […]
Havatsa Upem : novelomina an-tsehatra ny tonokalon’ny mpikambana
Tontosa omaly, teny amin’ny efitranon’ny Kolontsaina, Lisea an’Ampefiloha (LMA) ny “Antsa Tononkira”. Hetsika namelomana an-tsehatra ny tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa Upem. Anisan’ny novelomina ny tonokalon’i Odéam Rakoto, Dox, Célestin Andriamanantena, Rado, Clarisse Ratsifandriamanana, Abel Andriamalala… Ankoatra ny fiantsana sy fihirana ny tononkalo, nisy ihany koa ny fampirantiana ny asa soratr’ireo […]




