kolon-tsaina

Fi.Mpi.Ma 59 taona: dinihina anio ny tetikasa 2023

Marihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa, ao anatin’ny herinandro ny faha-59 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Nanomboka ny 16 novambra, fandaharam-potoana maro no notanterahina. Ny anio kosa, hiroso amin’ny fanapahana ireo tetikasa hotanterahina amin’ny taona 2023, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity. Hanomboka amin’ny […]

Hiverina hisokatra…: mpanakanto 10 vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery

Nampahafatarina teny Ampasanimalo, omaly, fa hisy mpanakanto folo vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery amin’ilay tetikasa Vina. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny trano fampiratina amin’ny 24 novambra, ary maimaim-poana ny fidirana.   Taorian’ny telo taona nikatonan’ny Isart Gallery noho ny Covid-19, miverina misokatra indray ny trano fampirantiana. Nampahafantarin-dRakotoarivony Tahina, talen’ny Isart Gallery, teny […]

« Festival de rire »: nisokatra omaly ny « festival de rire Jôkôsô » andiany faharoa

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Festival de rire Jokoso » andiany faharoa. Teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) Antsahavola no nanatanterahana izany, ny alakamisy 17 novambra 2022. Mpanao hatsikana sy mpankafy maro no tonga nanokatra izany tamin’ny alalan’ny lahateny fanokafana sy seho an-tsehatra. Tanjona lehiben’ny hetsika ny fampiraisana ny mpanao hatsikana […]

30 taona an-tsehatra: hofaranan’ny Mage 4 amin’ny seho lehibe

Mbola nisy tsy teraka ireo mpikambana ao amin’ny Mage 4 amin’izao fotoana, tamin’ny nanombohan’ny tarika… Nanamarika ny faha 30 taonany ny Mage 4 tamin’ity taona ity, ka tany Toliara no nisafidian’izy ireo nanombohana izany. Rehefa avy nandalo faritra vitsivitsy, hofaranana amin’ny seho goavana, izay hatao ny alahady 20 novembra izao, […]

Tontolon’ny literatiora: hiray sehatra i Avelo Nidor sy Ny Eja

Raha vao miresaka Ny Eja, mby ao an-tsaina avy hatrany ireo tononkirana mpanakanto tsy afaka am-bavan’ny maro, izay nosoratany. Eo koa i Avelo Nidor, amin’ireo sanganasany tsy afaka am-bavan’ny maro, indrindra ireo mpanaraka ny tontolon’ny haisoratra. Mpanakanto roa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny literatiora no hiray […]