kolon-tsaina

Misaona indray ny Hiragasy: nodimandry Radona, Ramilison Besigara

Lasa namonjy an-dRamilison rainy, Zeze zokiny ary i Perline anabaviny ihany koa Radona. Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany Rafalison Joachin, fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ny hoe Radona. Toa ny vara-datsaka ny nahenoana ny vaovao ny alin’ny alarobia teo, ka nisesy ny fampaherezana ny fianakaviana sy ny tropy, ny fanomezam-boninahitra […]

Ambohidratrimo Marovatana: hamerina sy hanandratra ny kolontsaina fanorona

Ho tanterahina ny 10 sy 11 febroary ho avy izao “Festival Fanorona Marovatana”. Eo am-pamaranana ny fikarakarana ny tomponandraikitra, ankehitriny. Raikitra izany! Handray ny “Festival Fanorona Marovatana” ny eny amin’ny kaominina Ambohi­dratrimo. Haharitra roa andro ny hetsika, karakarain’ny eo anivon’ny Vovonana Nasio­nalin’ny Fanorona Malagasy. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany i Zama […]

Galerie Vellutini Isoraka: mandravaka ny toerana ny ranty hosodoko

Tanterahina eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, ny fampirantiana hosodoko, iarahana amin’ny mpahay kanto mpanao hosodoko maro. Am-polony izy ireo no mandranty ny asa tanany sy ny haikantony eny an-toerana. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hifampizara eo amin’ny mpankafy hosodoko sy ireo mpahay kanto, ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto, indrindra […]

Fahatsiarovana an’i Madame ZO: handray anjara ny Compagnie Tahala

Anisan’ny handray anjara amin’ny hetsika fampahafantarana ny katalaogy mirakitra ny haikanton’i Madame Zo, eny amin’ny Fondation H Amba­tomena, ny Compagnie Tahala de Tamatave. Hetsika izay hatao ny sabotsy 20 ja­noary 2024. «Mpihaza Ri­votra » no anarana nampitondrain’izy ireo ity soradihy ho ataon’izy ireo ity. Dinampitia Zoe no namorona sy namolavola ity soradihy […]