25 taona nampintana ny kanto, ny kolontsaina, ny vaovao ary ny soatoavina lalainy ny onjampeo Feon’Imerina. Nandritra izay 25 taona izay, nanana ny mpanaraka sy mpankafy azy ny radio. Taorian’ny fampisehoana fanokafana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, nitohy tamin’ny fitsangantsanganana lehibe indray ny fankalazana, ny sabotsy lasa teo. Nifamotoana teny amin’ny […]
kolon-tsaina
Haisoratra : Havàtsa Upem, 71 taona nanavàtsa
Hotanterahina ny 24 hatramin’ny 28 oktobra 2023, ao amin’ny efitrano Dox, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny «herinandron’ny Havàtsa UPEM- 2023», hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-71 taonan’ity fikambanana ivondronan’ny Malagasy mpanoratra sy poeta ity. Antsan-tononkalo, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, varotra sy fampirantiana. Ireo no ho hita eny an-toerana mandritra […]
« Jôkôsô- Festival du rire »: manana ny hoaviny ny hatsikana malagasy
Malagasy mpanao hatsikana miray, no anisan’ny tanjon’ny “Jôkôsô-festival du rire”. Tsy nisalasala ireo voasokajy ho zokiny sy matihanina nizara ny fahaiza-manaony tamin’ireo vao misandratra, ho an’ny ho avy mamiratry ny hatsikana malagasy. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Jôkôsô- festival”, andiany faha 3. Malagasy sy vahiny mpanao hatsikana miisa […]
“Tsy revin-gadra Tour” : hizara ny kantony etsy Antsahavola i Johasina
Seho telo no kasain’i Johasina ho tontosaina mandritra ny “Tsy revin-gadra Tour”. Efa vita ny tetsy amin’ny La Teinturerie, ny 29 septambra, sy ny tany amin’ny Bar’Haingo Antsirabe, ny 7 oktobra, tao anatin’ny hetsika “Madajazzcar”. Hofaranan’ity mpanakanto ity anio kosa, ny andian-tseho izay nomaniny eto an-tanindrazana. Hotontosaina eny amin’ny Sambalia […]
Mandrosohasina : may ny vohitra masina ao Filahoana
Nisy nandoro, tamin’ity herinandro ity, ny vohitra masina eny Filahoana, iafenan’ny masina Andriampanarivomanjaka, ao Mandrosoa Andramasina. “Mitohy ny fametavetana sy fandorana ny hasina sy ny maha izy azy ny tanàna. Tsy azo ekena izany ka tsy maintsy mijoro isika rehetra taranaka”, hoy ireo mpitana ny nentin-drazana avy amin’iny faritra iny. […]




