kolon-tsaina

Latsaka an’elanelany: very fitaratra ny tontolon’ny hira malagasy

Kanto nahitana fiovana lehibe ny hira malagasy. Amin’ny ankapobeny, nanaraka vanim-potoana izany. Ny nalaza omaly, tsy heno ny ampitso. Ny fantatra androany, lefy rahampitso. Taloha… Taloha… Taloha…! Mankalilo ny sofina sasany ny mihaino izany ankehitriny. Saingy, tsy maintsy voateny ihany amin’ny lafin-javatra sasany. Very fitaratra ny hira malagasy. Famerimberin’ireo mpanakanto […]

Festival International Madajazzcar : mihamivelatra ny Jazz eto amintsika

Nitohy omaly, teny amin’ny oniversite Ankatso sy teny Andohatapenaka, ny «Festival International Madajazzcar» andiany faha-34. Samy nanana ny hanitra ho azy ny Jazz tamin’ireo toerana ireo. Tanjon’ny hetsika ny hampivelatra ity karazana mozika ity ho an’ny rehetra. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly ity mozika ity vao misandratra, […]

Vakodrazana : hanohy ny lalan’i Bakomanga ny R’Imanga Mandimby

Mitoetra ny kanton’i Bakomanga ! Mamelo-maso sy manohy ny lalana R’Imanga Mandimby. Hiaka-tsehatra haneho ny talenta nifandovana izy ireo. Telo taona lasa izay no nahalasanan’i Bakoma­n­ga… Mpanakanto anisan’ny niavaka indrindra teo amin’ny fameloma-maso ny hira sy ny dihy vakodrazana izy. Namelo-maso ny anaran’ity andrarezina ity ny tarika Bakomanga zanany, ary mbola […]

« Takarivan-kolontsaina »: hanamarika ny faha-15 taonany ny Haihaingo

Hiavaka tsy tahaka ny fahita hatramin’izay ! Haihaingo, orinasa mitrandraka sy misahana ny tontolon’ny haingo amin’ny ankapobeny. Iray amin’ ireo manasongadina sy manome lanja ny kolontsaina malagasy ihany koa. Fantatra fa hanamarika ny faha-15 taona nijoroana amin’ny alalan’ny hetsika « Takarivan-kolontsaina » hotanterahina ao amin’ny Salle Sainte Bathilde, 43 Avenue de Plessis, 92290 […]