kolon-tsaina

Feno 100 taona: navoaka ho boky ny « Hiram-bavaka » sanganasan’i Rado

Mpanoratra tononkalo… Nisy tamin’ireny no navadiny ho tononkira. Feno 100 taona i Rado. Navoaka, omaly, ilay boky mirakitra ireo hiram-bavaka nosoratany. Andriamanantena Geor­ges na i Rado. Mpa­nakanto feno. Iray amin’ireo talenta maro ananany ny fanoratana. Nisy tamin’ireny tononkalo nosoratany ireny no navadiny ho tononkira. Anisan’izany ny «Aza avela hahalala», «Mba […]

Hira avy any atsimo : manandratra ny tsikidona ny Mahafaly Mihisa

«Mahafaly», anarana foko iray any atsimon’ny Nosy. «Mihisa», adika amin’ny hoe : misôma na milalao. Niorina tany Betioky, ny taona 2012, ny tarika Mahafaly Mihisa. «Ny fampahanfatarana sy fanandratana avo, eto an-toerana sy hatrany ivelany ny tsikidona (iray amin’ireo mandrafitra ny tsapiky nentim-paharazana avy any atsimo) no antom-pisianay. Tononkira, mirakitra hafatra […]

“Festival international de Street art” : Malagasy handray anjara amin’ny hetsika i Mat Li

Hizara sy hitondra ny talentany mandritra ny “Festival International de Street Art” i Mat Li. Ny “Street Art” izay efa misehatra amin’ny fandavorariana ny vinam-pampandrosoana lovainjafy, ankoatra ny maha fanaingoana sy fanomezana endrika ny tanàna azy. Tanterahina ao amin’ny tanànan’i Saint- Denis sy Saint André, La Réunion, nanomboka ny 1 […]

« Slam national 14 » : tompondakan’i Madagasikara i Santa

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Intsitut Français de Madagas­car (IFM) Analakely, ny lanonam-pamaranana ny “Slam national 14”. Notanterahina nandritra izany koa ny dingana famaran’ny fifaninanana nasionaly teo amin’ity taranja iray ity. Santa, mpiangaly “Slam poèsie” avy any Antsirabe no voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara, rehefa avy ni­faninana tamin’ireo mpandray anjara niisa fito. […]