«Tsiaro azy», «Fitia tsara voatra», «Ifonako»… fa indrindra ny «Tsy anjara». Hira tanatin’ny rakikiran’i Jeannot efa tany amin’ny 25 taona lasa ireo. Maro tokoa ny mpankafy no nanontany ny momba ity mpanakanto ity sy ny tohin’ny lalany. Voavaly izany izao ny nanitikitika rehetra sy ny mety ho faniriana ihany koa. […]
kolon-tsaina
ANAC Analamanga: « Misongadina ny ankizy tezaina amin’ny mozika »
Tontosaina nanomboka omaly, teny amin’ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC) Anosy, ny fampianarana mozika ho an’ny ankizy. Zavamaneno maro samihafa no ampianarina ireo kilonga amin’izany. Ankoatra ny fampianarana mozika, misy ihany koa ny fanabeazana ara-tsaina amin’ny alalan’ny mozika entina mampivelatra bebe kokoa azy ireo. « Initiation à […]
«Slam national 14 » : miditra amin’ny dingana faharoa ny fifaninanana
Hita taratra ny fanomanana nataon’ny mpandray anjara tsirairay sy ny ny tany amin’ny vondrona nisy azy avy. Avo lenta ary tena tsara raha ny kalitaon’ny seho atolotr’ireo mpandray anjara. Antenaina hihatsara hatrany anefa izany amin’ity anio ity. Tontosaina anio, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana […]
Madagasikara maitso : fampirantiana momba ny tontolo iainana
Tanterahina nanomboka ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 1 novambra, eny amin’ ny Galerie d’Art Ivokolo Analakely, ny varotra fampirantiana « Madagasikara Maitso ». Jacques Naif sy William Randrianohanana no mpahay kanto mandranty sary eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. Ny Ofnac, miaraka amin’ ireo mpahay kanto ireo no mikarakara ny hetsika. Maimaimpoana […]
« Jôkôsô- Festival du rire » : hetsika ho an’ny hatsikana malagasy
Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 14 oktobra 2023, eto Antananarivo ny « Jôkôsô- Festival du rire » andiany fahatelo. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ihany koa ny fizarana sy fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao, eo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny hatsikana eto Madagasikara. Mampiavaka ny hetsika amin’ity taona ity ny fiaraha-mifaly sy fitondrana fanampiana ho […]




