Taratra

Hoavin’ny Barea- « Cosafa 2025 »: Hiankina amin’ny lalaon’i Tanzanie sy i Eswatini

Hotanterahina anio, any Afrika Atsimo, ny andro fahatelon’ny vondrona C, izay hi­haonan’i Eswatini sy i Tanza­nie. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra Atsimon’i Afrika, “Cosa­fa 2025 ». Hiankina tanteraka amin’io ny dian’ny Barea de Madagascar. Raha mandresy amin’ny isa mihoatra ny roa i Eswatini, izy ireo no tafita any […]

Karate-Afrika : 17 mianadahy hihazo an’i Nigeria

Nifarana ny sabotsy teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampivondronana farany ireo atleta, nenti-nitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Cadet, Junior, Seinior kata &Kumite) hatao any Nigeria, ny 22 hatramin’ny 27 jolay izao. Taorian’ny fikaonandohan’ny tomponandraikitra misahana ny teknika eo anivon’ny federasionina, nivoaka ny lisitry ny mpikatroka […]

Rugby sokajy vehivavy – CAN 2025 : Hiady tsy ho gisitra ny Makis Ladies, anio

Hanamarika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy, amin’ity alarobia ity, ny fihaonan’ny Makis Ladies sy ny The Cranes Ouganda. Hiady tsy ho gisitra ny roa tonta. Etsy ankilany, hifampitana hahazo ny lohany kosa ny Springboks Afrika Atsimo sy ny Liona an’i Kenya. Hiditra amin’ny andro fa­haroa, anio, […]

TARATRY ny KANTO

Tonga omaly, eto Madagasikara, i Tiakola. Hiatrika ny seho etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy, anio. Mialoha ny anjarany, hanokatra ny seho ireo tanora nandresy tamin’ny fifaninan-kira “Horizon”. Yetoon avy eto Antananarivo, Fab’s Brownz avy any Mahajanga ary i Muamar avy any Toamasina. Ireo hirany malaza rehetra no alahatr’ity vahiny […]

« Hadimiana Sandratra »: Hanehoana ny hakanton’ny teny malagasy

Nosokafana omaly ny «Hadimiana Sandratra». He­tsika iray karakarain’ny Fari­bolana Sandratra, entina mampitia sy maneho ny ha­kanton’ny teny malagasy izy ity. Araka ny anarany, anatin’ny 5 andro no hanaovana izany, ao amin’ny Tranombo­kim-pirenena, Efitrano Dox. “Ny teny malagasy no akora hoenti-mampandroso. Manana ny fanahiny ity teny malagasintsika ity, ary na hatrany […]