Taratra

Sakafo ara-pahasalamana; Zo fototra sy fanamby ho an’ny fampandrosoana

Miantoka ny famokaran’ ny tsirairay sy fampandrosoana ny toekarena ny fisitrahana sakafo ara-kalitao. Ma­na­ra-maso ny lalam-pamokarana sy ny fitehirizana izany ny siansa hiantohana ny vokatra maharitra ho an’ny tombontsoa ny mpanjifa. Antoka ho an’ny fivelomantsika ny sakafo madio, ara-kalitao sy ara-pahasalamana. Manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fisian’izany noho izy […]

E-Toerana: Antoka ho an’ny fampandrosoana ny fandraharahana

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia teo, ny efitrano « e-Toerana » eny amin’ny Antenimieran’ny in­dostria sy ny varotra eto An­tananarivo (CCIA) etsy Anta­ninarenina natokana hano­hanana ny fandraharahana. Manara-penitra tanteraka ireo efitrano noho izy ahitana ireo fitaovana niomerika hiaka farany ahafahan’ireo mpandraharaha sy matihanina mifanakalo hevitra ampitain-davitra. Ampiasana ny haitao ara-kajy mirindra […]

FANTINA sy FINTINA

Mitarika ny delegasionina any Frantsa ny filoha Rajoelina Andry, mandray anjara amin’ny fivorian’ ny firenena mikambana momba ny Ranomasimbe (UNOC3). Nanomboka, omaly hatramin’ny 13 jona any Nice izany. Hisongadina ny hiarovana ny tombontsoa amin’ny fari-dranomasiny sy ny fiandrianany amin’ny faritra ara-toekaren’i Madagasikara. Nahemotra ny filankevitry ny minisitra, tokony hatao any […]

KMF/Cnoe : “Mila hatsaraina ny rafitra fanaovan-dalàna”

“Aminay, ny fijerena ny rafitra no zava-dehibe. Matoa tafavoaka aty ivelany izany tolo-dalàna izany, avy anatiny no nisy fivoahany. Ny rafitra sy ny lalàna eto amintsika no heverinay hoe lasa mampiady ka tokony hohatsaraina”. Izay ny fanehoan-kevitry ny fikambanana KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena tamin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, tany […]