Taratra

Filoha Rajoelina Andry tao Amboasary: Tokantrano 4 500 nizarana Vatsy tsinjo, hisy ny fivarotana vary mora

Tonga tao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady sy ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, omaly. Ho fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mponina ao an-toerana, nisy ny vatsy natolotra azy ireo nandritra ny hetsika. Nitondra fanampiana Va­tsy tsinjo ho an’ny to­kantrano miisa 4 500, ahitana vary […]

TSELATRA

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy raindahiny, iray tamin’ireo namono ilay mpanakalo vola tetsy Analakely, ny volana janoary 2025 lasa teo. Voasambotry ny polisin’ny BC Anosy teny Andohanarofotsy izy, ny 10 mey 2025 rehefa niafina nandritra ny fotoana ela. Nahitana basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10 sy […]

Lozam-pifamoivoizana tetsy Itaosy: Nalefa eny Antanimora ilay mpilalao sarimihetsika

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana am­baratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha nahavoasaringotra mpilalao sarimihetsika iray. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy taorian’ny fivoahan’ny didy. Voarohirohy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 11 ora, izy. Tsiahivina, nitondra fiara marika Mercedes-Benz CLK izy tamin’io fotoana […]

Famonoan-tena : Telo mianaka nisotro poizim-boalavo

Renim-pianakaviana 26 taona nisotro poizim-boalavo ary nomeny koa ny zanany roa vavy tao Anjozorobe, ny alarobia 14 mey teo. Nifamonjena teny anivon’ny hopitaly ireo zaza mirahavavy. Marary mafy, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHRD Anjozorobe ny ankizivavy roa nampisotroin-dreniny poizim-boalavo tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjozorobe, ny harivan’ny alarobia 14 mey […]