Hatao eto Madagasikara ny volana aogositra ny fihaonana an-tampony faha-45 an’ ny filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Sadc. Mifanindry an-dalana amin’izay ny fanamarihana ny Herinandron’ny fampiroboroboana ny indostria, andiany faha-8. Tapaka nandritra ny dinika niarahan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, sy ny solotenan’ny minisiteran’ny […]
Taratra
Saran-dalana taxi-be: Nahomby ny tsy fampiasana lelavola
Tsara ny vokatra azo tamin’ny andrana tsy nikirakirana lelavola nandoavana ny saran-dalana tamin’ny taxi-be 147 D. Nisy ny tetikasa nampiasana ny teknolojia niomerika ka nametrahana fitaovana manokana hanamarinana ny tapakila saran-dalana tamin’ireo fiara fitaterana. Nahomby ny tetikasa nataon’ny Airtel Money sy ny orinasa CPP System, tsy ampiasana lelavola andoavana ny […]
INDRAY MIJERY
Inspecteurs du travail 42 mianadahy no nahavita fianianana tetsy amin’ny Fitsarana tampony, Anosy. Andiany Mahomby izy ireo, niofana nandritra ny 2 taona teny amin’ny Enam Androhibe. Mitazona andraikitra eo amin’ny firenena ny Inspecteurs du Travail izay misehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ho an’ny sosialy, sady mampihatra ny lalàna mifehy ny asa […]
Minisitry ny Fampianarana teknika : Nitsidika ny faritra Atsimo Atsinanana
Nitsidika ny faritra Atsimo Atsinanana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny herinandro lasa teo. Nijery ny fanavaozana natao tamin’ny CFP Ampanarena (Anosy Arafa) sy ny LTP Farafangana ny delegasiona. Nisy ny dinidinika hanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa niarahana tamin’ny DRETFP […]
Fampianarana ambony : Jerena ny fizarana vatsim-pianarana
Manatanteraka ny toromariky ny filoham-pirenena ny amin’ny fijerena manokana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nidina teny amin’ny oniversiten’Antananarivo nijery akaiky ny fikarakarana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, niaraka tamin’ireo ekipa teknika. Tao amin’ny fakiolten’ny […]