Taratra

Fanamarihana fetin’ny Fahaleovantena : Efa any Tchad ny filoha, Randrianirina Michaël

Efa nigadona tao N’Djamena, renivohitr’i Tchad, omaly, rehefa avy niainga teto Madagasikara ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Maromaro ny anton-diany any amin’ity firenena Afrikanina ity. Tafiditra amin’ny famaliana ny fanasana avy amin’ny filohan’i Tchad, ny Marechal Ma­hamat Idriss Deby Itno, izao fivahinianany voalohany any Tchad izao. Hankalaza ny faha-66 taona […]

Tambin’ny hofan-trano: 50 000 no zakan’ny CUA

Nambaran’ny PDS an’Antananarivo, Ralambomanana Feno, omaly, fa mitentina 50 000 Ar no zakan’ny tetibolan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ilay resaka tambin-karama amin’ny trano fonenena « Indemnité de logement”. « Io ihany rahateo koa no efa nifampiresahana tamin’ny mpiasa », hoy ihany izy. Tsiahivina fa nitaky izany ho 200 000 Ar ireo mpiasan’ny kaominina ary […]

Fampandrosoana eny ifotony: Manao fotodrafitrasa sy asa sosialy ny Gasy miarina

Misehatra amin’ny fampandrosoana eny ifotony manoloana ny asa ataony ny orinasa Gasy miarina. Misedra olana anefa izy ireo amin’izao fotoana izao. Manao asa sosialy sy mi­tondra ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny kaominina Ankadinta­ny, distrikan’i Manandriana, Amoron’i Mania ny orinasa Gasy miarina. Eo koa ny fanamboara-dalana sy fotodrafitrasa maro samihafa. Miantraika amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Mamerina sy mampahatsiahy ny fitsipiky ny fahadiovana ho an’ireo mpampiasa ny hopitaly ny tompon’andraikitry ny CHU HJRA. Andraikitry ny rehetra ny fahadiovan’ny fotodrafitrasa iombonana toy ny ho­pitaly. Voakasik’izany ny mpiasan’ny hopitaly, ny marary, ny mpiandry marary, ireo mpamangy marary. Samy manana ny anjara andraikitra amin’ny fitazomana ny hopitaly ho madio, […]

Distrikan’Ambohidratrimo: Mivoaka ny tetiandro fitsarana miaramila

Nivoaka ny tetiandro ha­na­tanterahana ny fitsarana mi­aramila ho an’ireo tonga taona rehetra ho an’ny distrikan’ Ambo­hidratrimo. Ireo to­vo­lahy sy tovovavy teraka teo anelanelan’ny taona 1995 hatramin’ny taona 2007 (19 taona ka hatramin’ny 31 taona) no voakasin’izany. Ho an’ny fitsarana miaramila taona 2026 izao ho­tanterahina izao. Hotanterahina ao amin’ny Tranompokonolona izany […]