Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Mitotaly 10 000 ireo zana-trondro narotsaka ao amin’ny farihin’Ankadinondry Sakay nandritra ny fambolen-kazo natao tany an-toerana. Nisitraka zana-trondro ihany koa ireo fikambanan’ny mpanjono mba hahafahany mampiroborobo ny fihariany sy hanatsarany ny velo-tenan’ny tsirairay. Vita ny 93% ny asa fanarenana ny lalam-paritany, RIP71, ampahany voalohany, mampitohy an’­Imerintsiatosika (RN1) sy Ambohimiarina. Mirefy 12,95 […]

Toekarena ; Nitotongana ny vokatra naondran’ i Madagasikara

Nihena 17,2% ireo entana naondran’i Madagasikara ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023 noho ny fitotongan’ny harinkarena faobe. Na­nampy trotraka izany ny fihenan’ny vola azo tamin’ny fa­non­dranana lavanila, jirofo, nikela sy kobalta ary ireo vokatry ny orinasa afakaba. Nidina 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny […]

« Forum économique du secteur privé »: Hisongadina ny vokatra malagasy

Hotanterahina ny 2 sy 3 mey, any Genève, ny « Forum économique du secteur privé Madagascar, terre d’opportunités » izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika karakarain’ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 26 sy 27 avrily 2025 ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Muay Thaï, ho an’ny taom-pikatrohana 2025. Fifaninanana iraisam-pirenena 6 kosa no hitranga ho an’ity taranja ity, ka hisantarana izany ny “African Championship” izay hatao ny 15 hatramin’ny 17 avrily, any Tripoli Libia. Hotontosaina manomboka anio ary […]