Manao hetsika ho an’ny ray aman-dreny manana zanaka hafakely ny Autisme Madagascar. Tanterahina amin’ny faritra 10 manerana ny Nosy izany. Mihaino sy manampy azy ireo amin’ny fitaizana ny zaza izany. Miara-miasa amin’ny manam-pahaizana manokana toy ny Dokotera sy mpandinika ny saina ny fikambanana. Tanjona ny fanohanana ho enti-manampy ny ray […]
Taratra
Ankadinanahary Ambositra : Hanorenana “Campus universitaire”
Hametrahana “Campus Universitaire” ao Ankadinanahary, Ambositra. Nidina ifotony nijery ny ametrahana izany ny minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy. Niara-dalana azy tamin’izany ireo manam-pahefana ao an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Tsy miandry ela, hapetraka amin’ny herinandro ho avy izao ny vato fototra. Tanjona […]
Fampianarana ambony : Mahasarika ny tanora malagasy ny oniversite any Inde
Anisan’ny firenena manitona ny tanora malagasy, ny oniversite any Inde amin’izao fotoana izao. Maro ny lalam-piofanana azo hisafidianana. Manana ny lanjany amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ny diplaoma. Tsy mirona amin’ny oniversite tandrefana samy irery intsony ny mpianatra malagasy mandranto fianarana ambony. Lalana iray mahasarika ny tanora ny any Inde. Maro […]
Tsipy kanetibe – Junior: Homena vola sy mari-boninahitra
Tafaverina an-tanindrazana, ny sabotsy lasa teo ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe “junior” lahy sy vavy, i Clarito sy i Eliot ary i Nomena sy i Nameno. Izy ireo izay avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, tany Espagne, ny 30 jolay – 2 aogositra lasa teo. Tsiahivina fa […]
Karaman’ny Coach Rôro: « Efa voaloa avokoa ny anjaran’ny FMF »
Namaly an-dRakotondrabe Romuald (Coach Rôro), mpanazatra ny Barea, ny amin’ny tsy mbola nandoavana ny karamany ny federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nitondra fanazavana mahakasika izany, tamin’ny mpanao gazety, teny Carion, omaly, Ratovohery Solo, filohan’ny vaomieran’ny fifaninanana sady komity mpanatanteraka. “Efa nanao fanamarinana ny federasionina fa efa voaloa avokoa ny anjarany, […]





