Taratra

TSELATRA

Nahiditra vonjimaika am-ponja ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny famonoana ho namono nahafaty an-dRazafitiandrazana Olivier, ny alahady lasa teo. Taorian’ny fitsarana natao azy ireo tany Bambous (Maurice), omaly. Niaiky izy ireo fa nanindrona ny fon’io lehilahy tamin’ny tournevis. Hitan’ny polisy nanao ny fisavana io fitaovana io rehefa nokarohina teo amin’io toerana […]

Jiolahy nandositra tao amin’ny zandary: iray maty voatifitra, efatra voasambotra

Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ireo jiolahy efatra anisan’ireo folo nandositra tao amin’ny efitrano nihazonana azy ireo natao andrimaso, tao Taolagnaro, faritra Anosy. « Jiolahy mpanafika Cash point ny telo. Niara-niasa ny ekipan’ny UIR eto an-toerana sy izahay zandary”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toalagnaro. Tratra ireo telo […]

Sambaina : Tovolahy hita faty tao anaty rano

Hita afakomaly maraina tamin’ny 11 ora atoandro, tao anaty rano ny vata-mangatsiakan’ny tovolahy 17 taona, antsoina hoe: Sasah. Maty nalentiky ny rano tany Andranobevava Nanganehana Sambaina, distrikan’i Manjakandriana izy io, ny talata lasa teo. Nilomano tao amin’io rano io izy ny talata tamin’ny 2 ora tolakandro. Tsy nipoitra intsony anefa […]

Fandrobana tetsy Amboditsiry : Namidin’ilay mpiambin-tanàna 5 tapitrisa Ar ny basy

Olona telo nosamborin’ny polisim-pirenena noho ny halatra niaro famarotana fitaovam-piadiana mahery vaika, teny 67 Ha, afakomaly. Namidin’ilay mpangalatra 5 tapitrisa Ar ny basy. Tra-tehaky ny polisim-pire­nana eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava teny 67 Ha ny lehilahy iray nangalatra fitaovam-piadian’ny mpampiasa azy, afakomaly. Nitrangana ha­latra tao amin’ny tranon’olon-tsotra iray teny Am­bo­ditsiry, […]

Rivodoza Jude : Manao tampody fohy

Niverina indray ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, halina na anio maraina, ilay rivodoza Jude rehefa avy any Mozambika. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Morombe sy Saint Augustin izy, rahampitso tolakandro, amin’ny tanjaka Tempête tropicale moderée (80 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy). Manoloana izany, entanina sahady ny mponina amin’ny faritra sy […]