Taratra

Sakaizan’ ny Teatra : Hisehatra ny « Le Lamba »

Volana marsa, manamarika ny iray volan’ny teatra. Efa nanokatra izany ny tropy Lisin’Iarivo, ny faran’ny herinandro teo, nitondra an-tsehatra ny “Mitovy fa tsy sahala”, tao amin’ny IFM Analakely. Nitohy tamin’ny fandefasana horonantsary vahiny mirakitra teatra izany, omaly, tao amin’ny IFM. Mbola handray ny Sakaizan’ny Teatra avy ao amin’ny Lycée Rabearivelo […]

TSELATRA

Trano iray nirehitra tetsy amin’ny tohatohabaton’ Ambondrona, omaly tamin’ny 01 ora tolakandro. Trano tsy misy rihana mitafo fanitso ary afovoan-tanàna io nirehitra io. Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, telo minitra taorian’ny antso. Maty tanteraka ny afo 20mn taty aoriana. Manentana ny […]

Ekar Md Jérôme Anosibe: Tsipahin’ny mpino ny fibodoana ny tanim-piangonana

Niverina nihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpino katolika etsy amin’ny fiangonana Md Jérôme Anosibe sy ny olon-tsotra mibodo ny tany. Ni­verina niakatra fitsarana afakomaly indray ny raharaha, telo taona taorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana, ny taona 2021. Resy ilay olon-tsotra. Ni­­gadona teny an-toerana na­natanteraka ny didy navoakan’ny fitsarana ny vadintany sy ny […]

Notetezin’ny lamasinina : Tapaka ny tongotr’ ilay vehivavy

Nifamonjen’ny nanatri-maso, vehivavy iray naratra mafy voahosin’ny lamasinina teny amin’ny lalamby Androndrakely, omaly maraina. Tsy manam-ponenana matotra, mivezivezy eny amin’ny manodidina io ramatoa io, araka ny loharanom-baovao. Nitsirara teo amin’ny toerana manakaiky ny lalamby izy. Nisotro toaka io vehivavy io. Tavela teo aminy ny tavoahangy nisotroany. Nandalo tampoka anefa ny […]