Taratra

fikambanana Fitia sy ny UNFPA : miara-miasa amin’ny ady amin’ny herisetra

Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ ny fikambanana Fitia ary tompondaka amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG), Rajoelina Mialy, ny solonte­nan’ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mpo­nina (UNFPA), Josiane Yagui­bou, tamin’ity herinandro ity. Nidinika ny fiaraha-miasa ho an’ny taona vaovao sy ny he­tsika […]

Herisetra amin’ny vehivavy: Ampirisihina hitoroka ny vavolombelona

Entanina ireo olona mahita trangana herisetra mianjady amin’ny vehivavy eny anivon’ny fiarahamonina mba ho sahy hitoroka eny amin’ny tomponandraikitra ahafahana mandray ny fepetra. Nisongadina izany nandritra ny fanazavana nentin’ ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, Razananaivo Rindra, omaly, tetsy Ankorondrano. Voafaritry ny lalàna ny fitazomana ny tsiambaratelon’ny […]

Fikorontanan-tsaina : mahafehy ny fandraisana an-tanana eny ifotony ny CSB

Araka ny tatitra navoakan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), ny taona 2019, nahatratra 1 miliara ny olona tratran’ny fikorontan-tsaina ary ny 14% amin’ireo adolantsento avokoa. Antony mitarika amin’ny fahafatesana iray amin’ny tranga 100 maneran-tany ny famonoan-tena izay miseho mialoha ny faha -50 taonan’ilay olona. Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 10 marsa 2024, eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny “Artistes au natur’elles”. Fam­pirantiana manasongadina ny faniriana sy ny filana hampiroborobo ny tantara, ny tontolo ary ny nofinofin’ireo vehivavy mitondra avo ny lokon’ny zavakanto eto Madagasikara. Atrikasa mahakasika ny “Hachures”, izay anisan’ny fototry ny fanaovana sary, no […]

Ady amin’ny herisetra an-tsekoly : naseho voalohany ny sarimihetsika “Le carnet”

Naseho omaly, tetsy Anosy, ireo fitaovana avy amin’ny fikambanana Imaso Ivoho Madagasikara. Izay enti-manentana ny mpisehatra rehetra eny anivon’ny sekoly, manoloana ny herisetra. Anisan’ny naseho teny an-toerana ihany koa ny horonantsary “le carnet”, notontosain-dRasoanaivo Anjama­malala, mpanatontosa. Entina hanehoana ireo karazana herisetra an-tsekoly amin’ny endriny maro sy ny fiampitan’izany amin’ny fidorohana […]