Taratra

Tsipy kanetibe – “PPF 2025”: Iray ekipa i Rocher sy i Rizzi ary i Delahaye

Hangotraka ny famaranana lehibe amin’ny « Passion Pétanque Française (PPF 2025) ». Nisafidy ny hiaraka ao anaty ekipa iray ireo andrarezina ka anisan’izany ilay frantsay, i Dylan Rocher, ilay Italianina, i Diego Rizzi. Manana ekipa roa kosa ny Malagasy amin’ity. Ho toy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany kely ny famara­nana lehibe […]

Tanambe Avaradrano: Olona valo tratra namaky trano

Nisy namaky ny trano fivarotana iray an-dRandriam­boavonjy Mbola Andry tany Tanambe Avaradrano, kaominina Ambanivohitra Tanambe, distrika Amparafaravola, ny alatsinainy 21 janoary lasa teo. Tamin’ny 2 ora maraina teo ho eo ny fotoana nisehoan’ny tranga, tamin’io fotoana io. Nanatanteraka ny fanarahan-dia avy hatrany ny alika mpitsongo-dia avy amin’ny CFS/CRFDC, tamin’ny 3 […]

Fihaonamben’ny minisitra eto Afrika : Nandray anjara ny MJS, Moustapha Marson Abdulah

Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ny minisitera izay natao tany Gambie, ny 21 janoary lasa teo, i Madagasikara. Noresahina tamin’izany ny fanatsarana ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Afrika. Notontosaina afakomaly, tany Banjul Gambia, ny fihaonamben’ny minisitera eto Afrika, izay niarahana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena Unesco, Usa­da, Wada, UA. Lohahevitra noresahina tamin’izany […]

Lozam-pifamoivoizana : Ny hetraketraky ny mpamily no tena antony ho an’ny eto Antananarivo

Ny hetraketraky ny mpamily sy ny fitia­vana mandeha mafy ny tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamovoizana eto Anta­na­narivo. Manampy izany koa ny fisotroana zava-pisotro mahamamo ataon’izy ireo eny am-pitondrana fiara sy kodiarandroa. Maro ny antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana, raha ny fanadihadiana natao. Ny hetraketraky ny mpamily sy ny […]