Nahafaly ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny filazan’ny fanjakana, farany teo, fa ho maro ny tetikasa mahakasika ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Manantena ny hiverenan’ny tetikasa Base Toliara ny any an-toerana. Anisan’ny miandry izany koa ny Vaomiera misahana ny famindran-toerana ara-dalàna na « Resettlement working group » RWG ao […]
Taratra
Fananan-tany: Tokony hanana sata mifehy azy ny kijana
Nohavaozina ny taona 2005 ny lalàna mahakasika ny fananan-tany. Zava-baovao amin’izany ny fametrahana ny karatany, omen’ny kaominina, manampy ny titra. Nanamarika anefa ny ao amin’ny Sehatra iombonan’ny fananan-tany (Sif), fa na eo aza ny lalàna, tokony hojerena mihitsy ny lafiny zava-misy sy ny rafitry ny fiarahamonina. Anisan’izany ny tokony hanomezana […]
Fanaovan-gazety: fiofanana mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny fananan-tany ary ny miralenta
Natao ny 20 hatramin’ny 23 febroary 2024 teo, tany Toliara, ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety avy any amin’ny faritra valo. Nifantohana ny fifandraisan’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fananan-tany ary ny miralenta. Nisy ny fizarana traikefa sy ny fampiharana avy hatrany. Mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro daholo, ankehitriny, ny lafin-javatra rehetra. Izay […]
VAOVAO TAMBATRA
Hihena ho 30 000 t ny famokarana Nikela ao Ambatovy, amin’ity taona ity, raha toa ka 40 000 t izany ny taona lasa teo, hoy ny Sumitomo. Marihina fa tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny Nikela sy Kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manana efatr’andro ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny […]
Fizahantany: masoivohon’i Madagasikara ny mpiseradia
Mitaky fifehezana zavatra maro samihafa ny asana mpiseradia noho izy miantoka ny sehatry ny fizahantany iray manontolo. Masoivohon’ny firenena malagasy izy ireny satria mampahafantatra ny hakanton’ny Nosy amin’ireo mpivahiny tonga eto an-toerana sy hizara izany ho an’ny hafa. Ankoatra izay, mifameno tanteraka amin’ ny firoboroboan’ny teknolojia ny asana mpitaridia. «Tsy […]