Taratra

« Velapiainana »: hamoaka ny tsiambaratelom-pitiavany Ratsifa

Tsy tazana loatra ao anatin’ny sanganasany ny zavatra iainany. Ratsifa, mpanoratra miaina tahaka ny olon-drehetra. Hiresaka momba ny fitiavana izy sy i Maneho anio. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Hotan­terahina anio, etsy amin’ny efitrano Dox, Tra­nombokim-pirenena Anosy, ny velakevitra « Velapiaina­na ». Ny ho fizotry ny hetsika ? Ratsifa (-) : Amin’ny […]

Mpanao mari-trano : manana anjara andraikitra ao anatin’ny fanajariana ny tany

Tsy mbola mahafantatra ny asan’ny mpanao mari-trano ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, raha ny fanadihadiana natao. Mihevitra ihany koa ny sasany fa lafo sy natokana ho an’ny mpanankarena izany. Miteraka faharatsian’ny fotodrafitrasa anefa izany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny Holafitry ny mpanao mari-trano malagasy. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana avokoa ny 80 %-n’ny trano aorina eto Madagasikara […]

FANTINA sy FINTINA

Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fampiasana ny Diary fanarahan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, Anosy. Araka ny fanazavanan’ny minisitry ny Fitsarana, ezahina ny hanatsara ny fandraisana ireo manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Fantatra, ohatra, ny andro hakana ny didim-pitsarana, ny fanemorana… Haparitaka any Antsirabe sy Toamasina izany ao anatin’ny zato andro. Ny fametrahana […]

lisi-pifidianana : niakatra ny taham-pisoratana anarana

“Niakatra 11,7% ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana raha oharina tamin’ny voasoratra nandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny Safidy, afakomaly, momba ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, 1 desambra 2023-15 febroary 2024 (Rale), nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Ana­lamanga no nahitana mpifidy vaovao nisoratra anarana be indrindra, nahatratra 51 423 […]

Takon’ny vola

Ohatry ny somary nangingina izany ny fiainana politika eto amin’ny tanàna. Asa ? Samy efa manomana ny eny an-kianja, hiatrehina ilay fifidianana depiote afaka vola vitsy ve?. Ny eny anivon’ny mpanatanteraka, somary tsy re feo ny mahakasika ny sekreteram-panjakana sy ny ho mpiara-miasa aminy. Mbola mitety tany, mamita adidy rahateo ny […]