Taratra

TSELATRA

Efa-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpiasa amina tetikasa miady amin’ny hanohanana tao Ikongo, voasambotry ny zandary, afakomaly. Mitohy ny fikarohana ireo namany izay niara-nanao io vono olona io. Marihina, nendrikendrehina ho dahalo io olona matin’ny fitsaram-bahoaka io sy ny mpampianatra iray namany. Tovolahy iray hita faty teo amoron’ny reniranon’i Manambondro, […]

Fakana an-keriny : Ankizy varira 12 taona avotra, dahalo efatra maty

Roa volana nifampitadiavana, ankizivavy varira 12 taona avotry ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Be­hara, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Nalain’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Mokabe, distrikan’i Toalagnaro, io ankizy io tamin’ny 13 oktobra 2024. Nanao fikarohana ny fianakaviany sy ny mpitandro filaminana ka nisy tamin’ireo olon-dratsy tra-tehaka tamin’io andro io. Nentina […]

RN2: Namoy ny ainy ny mpamilin’ilay 4×4

Namoizan’aina olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo ao amin’ny PK 79 +200, tao Ampoarana, fokontany Ambodimanga, kaominina Sabotsy Anjiro, distrikan’i Moramanga, ny alahady 19 janoary tolakandro teo. Niainga avy any Moramanga, nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra, ny fiara tsy mataho-dalana iray marika Galloper. Nandalo fiolanana, nandeha mafy ny fiara ka […]

Ambohipo : maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto

Nidona tamin’ny andrin-jiro, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra moto teny Ambohipo, afakomaly. Nivoa-dra ny sofin’ilay lehilahy nitondra moto ka nitarika tamin’ny famoizany aina, teo Ambo­hipo, ny alin’ny alahady teo, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nitaingina kodiarandroa, nandeha mafy ity lehilahy ity ka nifatratra tampoka tamin’ny andrin-jiro teo amin’ny […]

Open Casablanca : « Maro ny tokony hohatsaraina », hoy Razafindrakalo R. Natacha

Naneho ny heviny ny Malagasy mpikatroka ny taranja Judo, Razafindrakalo Ralevazaha Natacha, taorian’ ny fififaninanana “Open d’Afri­que de Casablanca” nataony tany Maraoka, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mbola maro ny tokony hohatsaraina amin’ny fahaiza-manaony. “Na tsy nahazo medaly aza aho, nisy lesoka sy traikefa maro noraisiko”, hoy ny nambarany. […]