Hiara-hiasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny Fizahantany sy ny asa tanana ary ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga amin’ny fijerena ireo biby lehibe an-dranomasina. Vita sonia teo amin’ireo minisitera telo tonta sady nampahafantarina ny alakamisy teo, teny Ambodivona, ny lalàna mifehy ny fijerena ireo biby […]
Taratra
Fifandraisana iraisam-pirenena : hanohana an’i Madagasikara ny Britanika
Vonona hanohana an’i Madagasikara ny firenena Britanika, amin’ny alalan’ny fandaharanasa ara-barotra “Developping Countries Trading Scheme, (DCTS) » na Rafitra fifanakalozana eo amin’ny firenena andalam-pandrosoana. Tanjona ny hanohanana ara-toekarena sy hanalefahana ny vidim-piainana aty amin’ireo firenena andalam-pandrosoana. Afaka manondrana entana sy vokatra mankany amin’ny tsena britanika ireo Malagasy mpandraharaha. Tsy ho tataovan-ketra […]
Krizy ara-tsakafo: tafakatra 600 dolara ny vidim-bary iray taonina
Atahorana ny hisian’ny krizy ara-bary aty Afrika. Antony, tafakatra amin’ny vidiny ambony indrindra, 600 dolara (2 700 000 Ar) ny iray taonina (izany hoe 2 700 Ar ny kilao) eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ankehitriny. Nambaran’ny mpahay toekarena sady mpikaroka ao amin’ny Antenimieran’ny fambolena, Thierry Pouch, tamin’ny fampahalalam-baovaon’ny France 24, ny janoary 2024 […]
MMRS : fambolen-kazo teny Masindray
Nanatontosa ny fambolen-kazony, omaly, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny rantsa-mangaika ary ny mpiara-miombon’antoka aminy teny Tsiakarana, kaominina Masindray. An’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny tany, saingy natolotra ny Omnis ho hampiasainy. Miisa 5.000 ny zanakazo nambolena, nahitana acacia, kininina, filao, tamin’ny velaran-tany 3,5 ha. Nampirisika ny tsirairay ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, […]
Fandriana : voasakana ny fivorian’ny fikambanana mpanao asa sosialy
Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fivoriana nokasain’ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny 12 febroary teo. Voatery najanona izany noho ny fanakanana nataona palemantera iray. Nanao fivoriana momba ny asa sosialy efa fanaony ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny alatsinainy 12 febroary teo. Ahitana ny zokiolona, ny fikambanan’ny vehivavy 8 marsa, […]