Mpanao Cash point hanokatra tsena, narahina telo lahy mitam-piadiana teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, omaly maraina. Voaambana basy izy ka voaroba ny vola 4 tapitrisa Ar. Manjaka ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra. Mpanao Cash point nivoaka maraina ny trano fonenany hamonjy ny toeram-piasany no lasibatra tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro, Isotry, omaly maraina. […]
Taratra
Fahasalamana: misokatra ny fitiliana ny homamiadana
Nanokana fotoana ahafahan’ny rehetra mahafantatra bebe kokoa mahakasika ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ny Fondation Akbaraly Madagascar, ny 24 janoary izao, eny amin’ny Pavillon Ste Fleur. Fihaonana mivantana amin’ny dokotera sy ny rasazy, hiresahana ireo aretina mateti-pitranga amin’ny vehivavy izy ity. Manampy izany koa ny tsara ho fantatra […]
Minisitra Mara Volamiranty Donna: “Aoka hajanona ny kajikajy politika ho amin’ny tombontsoa manokana”
Famerenana, fanamafisana… “Aoka hajanona ary tsy hanana toerana eto Madagasikara intsony ny kajikajy sy adilahy politika ary ny fitiavan-tena ho amin’ny tombontsoa manokana”. Io indray no nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, tao amn’ny haino aman-jerim-panjakana, omaly, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra […]
Vaovao tambatra
Miisa 48 isan-kerinandro ny zotra amin’ny fiaramanidina eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Miisa 19 kosa ny any Nosy Be, ka ao anatin’ireo ny zotra iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana. Niampy roa kosa ny fiaramanidina ho ampiasain’ny kaompania Madagascar Airways. Tanjona ny hanampiana ny efa eo am-pelatanana hanatsarana ny zotra anatiny, satria […]
Fanaraha-maso: hampiasaina ireo toby fandanjana fiarabe
Nahitana tsy fahatomombanana ny toby fandanjana fiarabe any Antsarakofafa Toamasina, satria mando lava ny toerana ka mila fitaovana fanampiny. Eo am-panatanterahana ny tolobidy hividianana izany fitaovana izany, ankehitriny, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena (tetikasa PDDR) sy ny Tahirim-bola ho an’ny lalana (FR). Misy koa ny drafitry ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) hanarenana […]




