Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy ireo jiolahy nanafika tao amin’ny tokantranon’ny mpandraharaha iray ao amin’ny fokontany Ampasinambo, kaominina ambanivohitra Lakato, distrikan’i Moramanga ny alin’ny alatsinainy teo. Nanafika tao amin’ny fokontany Ambodigavo ireo olon-dratsy talohan’io saingy tsy nahazo na inona na inona ka nifindra tao amin’ny toerana nisy ilay […]
Taratra
Tsiadana : mpangalatra moto voasambotra
Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny GPS tao anaty moto nangalariny ny lehilahy eny Ambohidepona Tsiadana, omaly. Norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny tompony ny moto scooter iray 4 T, ny marainan’ny alatsinainy 12 febroary teo. Nikoropaka nitady io fananany io ny lasibatra sady nampandre ny mpitandro filaminana. Nanao ny paikady rehetra nikarohana ilay moto […]
Ambohitrimanjaka ; lehilahy hita faty tapa-doha
Tsy nisy loha intsony ilay lehilahy hita faty tetsy Ambohitrimanjaka, omaly. Novonoina ary natsipy tao anaty rano izy. Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Ikopa tsy lavitra ny tetezana Ambohitrimanjaka, omaly maraina. “Notapahan’olona nesorina hatramin’ny fotony mihitsy ny lohan’io olona io”, hoy ny fanazavan’ny Koamadin’ny sampana mpamonjy voina. Mpanarato […]
Fandraharahana : hatao amin’ity taona ity ny IHM andiany voalohany
Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 jona izao ny Tsena iraisam-pirenena momba ny asa tanana eto Madagasikara, “International Handicraft Fair Madagascar (IHM)” andiany voalohany, hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, omaly, teny Tsimbazaza. Hitovy amin’ny hetsika amin’ ny International Tourism Fair Madagascar (ITM) ny IHM, […]
VAOVAO TAMBATRA
Ho tratra ny vina fampidinana ny tahan’ny sondrom-bidim-piainana manodidina ny 7,6% raha tanteraka ny vina napetraka ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Misy narafitra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2024 ny ampahan’ireo vina ireo, toy ny famarinan-toeran’ny vidin-tsolika, ny famadihana ny volamena ho “or monétaire”ary ny fampiroboroboana ny vokatra anatiny. Miisa 259 850 ireo […]