Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona namoy ny ainy latsaka tao anaty hantsana niaraka tamin’ ny bisikileta, tao Ambohimarina, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, omaly. Nivoy kodiarandroa. Nilatsaka tampoka tamin’ny toerana nisy hantsana nirefy 7 metatra teo ho eo anefa izy. Niaraka nilatsaka taminy ny bisikileta teny aminy. Vokany, nidaraboka […]
Taratra
Maromitety: vehivavy maty novonoim-badiny
Maty vokatry ny herisetra nataom-badiny azy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Analabe, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, ny 15 janoary 2025 teo. Nahazo antso ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisiana vonoan’olona niniana natao tao amin’io fokontany io. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary nanao ny fitsirihana […]
Mpanazatran’ny Barea: hivoaka alohan’ny faran’ny volana janoary ny anarany
Tonga nitsidika ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Moustapha Marson Abdulah. Nambarany fa eo am-pamitana ny raharaha mahakasika ny mpanazatran’ny Barea ry zareo amin’izao fotoana izao. Taon’ny asa tokoa ity 2025 ity. Nampanantena ny minisitry ny MJS, Moustapha Marson Abdulah, omaly, teny Mahamasina, […]
Karana voaroba 4 tapitrisa Ar: maty voatifitra ilay mpamily
Jiolahy mitam-piadiana nitondra moto nandroba vola 4 tapitrisa Ar an’ny teratany karana tetsy Ambodivona, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany ny raim-pianakaviana izay mpamily ka maty. Nanararaotra fitohanana, namoaka fitaovam-piadiana teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy nandroba vehivavy teratany karana teny Ambodivona, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nandalo ny lalam-bato […]
Kaominina ambanivohitr’i Maromitety: ahina ny mety hisiana valanaretina maro
Valifaty politika ahina hihitatra hatramin’ny maha olona sy tsindry ara-tsosialy ka mety hitarika fiforonana valanaretina maro samihafa ny trangan-javatra miseho ao amin’ny fokontany maromaro eo anivon’ny kominina ambanivohitr’ i Maromitety, niatomboka ny 12 desambra lasa teo. Samson na Sonina, zandary misotro ronono ary efa nihazona ny andraikitra lefitry ny ben’ny […]




