Tapaka omaly 13 febroary maraina, ny lalam-pirenena RN5, PK 97+900, mialoha ny hidirana ny tanànan’Antanambao Sahorana, distrika Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Nisy lavakabe niforona teo amin’ny lalana, vokatry ny rotsakorana nisesy. Nandray fepetra avy hatrany ny Fitantanana manohana ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ka […]
Taratra
Indostria: niova ho Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar
Hampihena ny fanafaran’i Madagasikara simenitra ny Alpha Ciment S.A ary hamokatra hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina isan-taona. Manomboka izao, hitondra ny anarana Alpha Ciment S.A ny Cementis Madagascar. Novidin’ny vondrona maorisianina Gamma Civic LTD, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy, Cemendo Gemiland, avy any Indonezia, ity ozinina mpanao simenitra eto Madagasikara ity. […]
Fitsaboana Mercy Ships : natsahatra aloha ny fisoratana anarana
Natsahatra aloha ny fandraisana ny anaran’ ny olona te hisitraka ny fandidiana ao amin’ny sambo Mercy Ships, any Toamasina, 12 andro taorian’ny nahatongavany. Efa aman-jatony maro isan’andro ny olona mivezivezy eny amin’ny hopitaly manara-penitra, raha ny zava-misy. Mihevitra ny hisoratra anarana ahafahana misitraka fitsaboana avokoa ireo olona ireo. Hatramin’izao, mbola […]
Ora-nikija tao Toamasina : olona iray namoy ny ainy
Raim-pianakaviana iray no natelin’ny reniranon’Ivoloina efa ho telo andro izay, raha niampita nandeha an-tongotra teo Sahandahatra, distrikan’i Toamasina II, ny sabotsy 10 febroary tolakandro. Mbola tsy hita popoka izy hatramin’ny omaly, raha ny tatitra voaray avy any an-toerana. Ny alatsinainy maraina hatramin’ny omaly kosa, rotsakorana tsy an-kiato no hita tao Toamasina […]
Namearison Robert : “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”
Manoloana ny tetiandro navoakan’ny Ceni, nitondra ny heviny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. “Tokony ho amin’ny aogositra ny fifidianana kaominaly”, hoy izy. «Ny mampanahy kely : nahoana no volana novambra ny fifidianana kaominaly?» Io ny fanontanian’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, manoloana ny volavolana […]