Taratra

Kitra – “JO 2024” : tsy anisan’ireo tafita i Brésil

Nitranga ny tsy nampoizina, tsy anisan’ireo handray anjara amin’ny « lalao Olympika, JO 2024”,  tanterahina any Paris France, ny Seleçaon’i Brésil, taranja baolina kitra, sokajy lehilahy. Tsy nahazo ny tapakila hiatrehana izany ry zalahy, taorian’ny fifanintsanana ho an’ireo firenena any amin’ny tapany atsimon’i Amerika. Raha tsiahivina, tompon’ny medaly volamena farany ry […]

Motocross – Mada 2024 : fandresena fanindroany ho an’i Mathias Plantive

Nisongadina indray ilay Malagasy mpilalao moto, i Mathias Plantive, nandritra ny fifaninanana nasionaly natao tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nanjakan’i Mathias Plan­tive indray ny dingana faharoan’ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto Cross, sokajy “élite 1”, izay notanterahina tany Antsirabe, ny alahady 11 febroary lasa teo. Laharana voalohany ny tenany, […]

INDRAY MIJERY

Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra ara-bola misahana ny fahasalamam-bahoaka mifandraika amin’ireo fandaharanasa telo, ny tiberkilaozy, ny tazo ary ny VIH/Sida. Tanjona ny hikatsahana hatrany ny fahombiazan’ireo faritra hiasan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena (fond mondial). Hiompana amin’ny karazan-tsakafo sahaza ireo olona diabetika indray ny fampianarana hatao eny amin’ny Amadia faravohitra, ny sabotsy izao. Maro […]

Fiantsonana amoron-dalana : ny CUA ihany no manome ny famandrihana

Nitondra fanazavana ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mo­mba ny famandriham-piantsonana fiara manokana atao eny amoron-dalana. Mizara roa ny toeram-piantsonana voatokana ara-dalàna manerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ao ny « Sauf Pass » dia ao ny « Abo ». Mora fantarina ireo karazana toerana ireo noho izy voasoritra amin’ny loko mavo. Ahitana ny […]

Tafika an-dranomasina : hasongadina ny miralenta

Mandalo eto Madagasikara ny tonia mpanatanteraky ny Tafika an-dranomasina amerikanina miasa any Eoropa sy aty Afrika, Juliet Beyler. Hihaona sy hidinika amin’ireo Malagasy tomponandraikitra voakasiky ny filaminana an-dranomasina ny tenany. Hanehoana ny fifandraisana an-dranomasina matanjaka sy maharitra eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Hanasongadina indrindra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa […]