Voatsatoka antsy teo amin’ny lamosiny ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Anivorano2, kaominina ambanivohitr’i Sahalanona, distrikan’Ikongo, ny 13 janoary 2025. Tonga nampilaza tao amin’ny biraon’ny zandary, tamin’io fotoana io, ny sefo fokontany Anivorano2 fa nisy olona novonoin’olona tao amin’ny fokontany iadidiany. Nidina haingana tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera […]
Taratra
Nangalatra 4×4 Land Cruiser: efa-dahy nalefa eny Antanimora
Voasambotry ny zandarimaria ireo dimy lahy tompon’antoka tamin’ny halatra fiara tsy mataho-dalana teny Ivato, ny 5 janoary teo. Naharay fitoriana avy tamin’ny tompon’ny fiara marika “Toyota Land Cruiser” ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola, tamin’io andro io. Nanao fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa fantatra ny toerana nahitana farany ny […]
Kly Andrianasoavina Charles: “Zana-bahoaka ny Foloalindahy…”
Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny horonantsary anaty tambajotran-tserasera, ny manamboninahitra misotro ronono, ny Kly Andrianasoavina Charles, omaly. Nambarany tamin’izany fa zana-bahoaka koa ny mpitandro filaminana. “Tsy afaka ny hamono ny vahoaka sy ny raiamandreninay na ny havanay izahay. Efa nitaizana anay fa avy amin’ny vahoaka izahay ka miverina amin’izy ireo ihany”, […]
Fanivaivana ny filoha Rajoelina Andry: hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles ny Tafika Malagasy
Tsy hilefitra amin’ny fanivaivana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny Foloalindahy. Hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles izay nanao fanambarana tamin’ny Facebook ny Tafika Malagasy, araka izany. Manoloana ny fanehoan-kevitra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Kly Andrianasoavina Charles, nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Monja, omaly, teny […]
Nandritra ny taona 2024: nahatratra 25 ny tranga fakana an-keriny
Tsy mety ho foana, 25 ny tranga fakana an-keriny niseho nanerana ny Nosy, ho an’ny taona 2024. Nahitana fihenana izany satria 60 ireo lasibatra ho an’ny taona 2023. Mitohy ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena manoloana ny tranga fakana an-keriny. Ho an’ny taon-dasa 2024, olona 25 nalain’ny dahalo natao takalonaina. […]




